Manodidina

ny Tompo

Jesoa Kristy

 

Famintinana ilay boky hoe

“Ny Fiangonan’Ilay Andriamanitra velona”

 

 

 

 

“Autour du Seigneur Jésus Christ”

Bibles et Publications Chrétiennes

30, rue Chateauvert F-26000 Valence

 

FIZAHAN-TAKILA

Fanoloran-teny

5

1.    Ny Eglizy araka ny fihevitr’Andriamanitra

 

 

9

Ny firafiny

9

Ireo fanoharana mampiseho ny maha iray azy amin’ny lafiny samihafa

 

 

10

              Ny Vady

10

              Ny tenan’i Kristy

11

              Ny tranon’Andriamanitra

11

              Ilay Tanàna masina

12

Ny vidiny

13

Ny toerany ao amin’ny lamina napetrak’Andriamanitra

 

13

Ny anjara asany ankehitriny eo anivon’izao tontolo izao

 

14

Mijoro ho vavolombelon’ny firaisany amin’i Kristy izy

 

15

Ametrahana ny fahamarinana izy

 

15

Ny tranon’Andriamanitra dia trano fivavahana

 

15

Fisoronana masina hanolorana fiderana izy

 

15

Miandry ny Tompo izy

 

 

16

2.    Ny nanaovan’ny olombelona ny Eglizy

 

18

3.  Koa inona no hatao ankehitriny?

 

22

Ireo eglizy mitonona ho katolika

22

Ireo eglizy ampahany

23

Ivelan’ny “tobim-” pivavahana kristiana

 

24

4.  Fampiharana

 

26

Ireo toetran’ny fivoriana

26

Inona no anarana hoentina?

29

Ny mpitondra fivavahana

31

Ireo fivoriana

35


 

 

Fanoloran-teny

 

Izao manaraka izao dia natao hampahatsahivana ny Kristiana ny fampianaran’ny Tenin’Andriamanitra momba ny “fiangonan’Ilay Andriamanitra velona” (1 Timoty 3. 15) araka ny filazan’ny apostoly Paoly, izay notarihin’ny Fanahin’Andriamanitra, azy.

Ela no tsy dia nahafantarana loatra ity fampianarana ity, izay naverina nasongadina indray tamin’ny fifohazan-dehibe nataon’ny Fanahin’Andriamanitra teo anivon’ny mpino kristiana, sahabo ho taranaka dimy nifandimby lasa izay. Mpino avy amin’ny tany samihafa tamin’izany fotoana izany no voatarika hivory tsotra amin’ny anaran’i Jesoa Tompo, ary tsy nanaiky afa-tsy ny fahefan’ny Baiboly izy ireo. Betsaka ny mbola mijoro amin’ireny fikambanana ireny, misy koa vaovao hafa tahatahaka azy ireo niforona.

 

Ity lohahevitra ity dia heverinay fa hahaliana olona maro izay mitady hoe aiza sy ahoana no hivoriana nefa tsy hanaraka ny fombafomban’ireo antokom-pivavahana, fa kosa ho toy ny rahalahy sy anabavy ao amin’ny finoana kristiana. Enga anie ny Teny sy ny Fanahy Masina hampianatra antsika amin’ity fandalinana ny hevitr’Andriamanitra momba ny fiangonan’ny mpino ity.

Mahalana ny fampianarana sy ny fandrisihana ao amin’ny Testamenta Vaovao no mandray ny kristiana amin’ny maha-olon-tokana azy, fa kosa raisiny izy hoe isana vondrona iray, dia ny fikambanan’ny “olo-masina”. Tsy vokatry ny fahamendrehany anefa no maha-olo-“masina” azy; masina izy noho ny antson’Andriamanitra sy ny asa tonga lafatra notanterahin’i Kristy. Miantefa kokoa amin’ny daholobe ity fampianarana ity. Paoly, rehefa mandidy na iza na iza manonona ny anaran’ny Tompo mba hiala amin’ny ratsy, dia mandrisika azy hikatsaka ny fahamarinana… miaraka “amin’izay miantso ny Tompo amin’ny fo madio” (2 Timoty 2. 19,22). Noho izany, dia manan-danja tokoa ny mahafantatra hoe nahoana, amin’ny fomba ahoana, ary miaraka amin’iza isika no tokony hivory araka an’Andriamanitra.

Matetika loatra, amin’izay lafiny izay, dia ireo fombam-pianakaviana no arahina, na ireo fomban’ny fiaraha-monina misy ny tena na ny fomban’ny tanin’ny tena. Ny tontolo nitoriana ny Filazantsara dia misy vondrona marobe izay samy mitonona ho kristiana, ary ny sasany amin’izy ireny aza dia mitondra ny anarana ofisialy hoe eglizy (na fiangonana), misy fanampiny kely mampiavaka azy: eglizy katolika isan-karazany, eglizy anglikana, protestanta, loterana, presbyteriana, metodista, ara-pilazantsara tsy miankina, batista, sns. Ho lava raha ho tanisaina daholo.

Maro ny olona mahitsy fo no onena noho izany fitsitokotokoana izany, ka miasa amin’ny lafiny samihafa ankehitriny mba hahatanteraka ny atao hoe maha-iray ny Eglizy. Ny atao amin’izany dia mampivory olona avy amina “eglizy” samihafa mba hitady izay hifanarahana amin’ny foto-kevitra iombonana sasantsasany. Ny mampalahelo anefa dia tsy ny tena votoatiny ireny mazàna, izany hoe tsy ny mahakasika ny tena foto-pampianarana. Ireo tena resy lahatra ny amin’ny fampandrosoana ny firaisam-pinoana (izany hoe finoana iray eran-tany) nefa ve mba mety hifanaraka tanteraka akory amin’ny famaritana ny atao hoe “kristiana”? Inona no holazaina manoloana ny tsy fitovian-kevitra momba ny maha tsindrimandry ny Soratra Masina, ny maha Andriamanitra an’i Jesoa, ny fahamarinan’ny nitsanganany tamin’ny maty? Moa mety hitovy ve ny fandraisana ny atao hoe Andriamanitra? Inona àry sisa tavela?

Marina fa te hifaly isika amin’izay rehetra mety hampifanakaiky ny olona amin’ny fomba milamina. Vao mainka faly kokoa isika mahatsiaro fa maro amin’ireo olona mitozo amin’izany asa izany no tena zanaka malalan’Andriamanitra. Nefa ny azo ambara ny amin’ireo ezaka maha te-hidera ireo, dia izao: izy ireo dia mifantoka loatra amin’ny famaritana marimaritra iraisana tsy mikasika ny tena faharesen-dahatra lalina an’izay manana izany, hany ka tsy miankina an-kitsim-po amin’ny fampianaran’ny Tenin’Andriamanitra momba ny tena firaisana kristiana sy ny fivoriana araka Azy.

Amin’io Teny io no tsy maintsy itodihantsika.

Ny zavatra voalohany sady mafonja tokony ho tsapa, dia tsy miresaka na oviana na oviana “eglizy” samihafa, iparitahan’ny mpino ary tokony hampiraisina, ny Tenin’Andriamanitra. Aminy ny mpino dia ao anaty Eglizy iray dia iray: mety hisy fahasamihafana arakaraka ny toerana misy azy, nefa samy fanehoana io fiangonana iray io ireny fiangonana isan-toerana ireny. Tsy mahalala Eglizy hafa ankoatra io ny Teny. Io no ilay tena “Eglizy maneran-tany”.

Ny mahatonga ny fisavorovoroana dia satria ampifangaroana hatrany ny foto-kevitra roa samy hafa tanteraka: an-daniny ny Eglizy araka ny maha-izy azy eo imason’Andriamanitra, ankilany ny toetra nomen’ny olombelona io Eglizy io etỳ an-tany. Ny fihevitr’Andriamanitra an-daniny; ny andraikitry ny olombelona ankilany.


 

1.            Ny Eglizy araka ny fihevitr’Andriamanitra

 

Ny firafiny

Ireo olona tena mino marina, tsy an-kanavaka, ireo izay manana ny fiainam-baovao ao amin’i  Kristy, ny fiainan’Andriamanitra, ary ireo irery ihany, no mandrafitra ny Eglizy: ireo olona izay novidin’i Kristy ho an’Andriamanitra tamin’ny rany ary itoeran’ny Fanahiny. Mitovy ny aneken’Andriamanitra azy rehetra ireo ho toy ny zanaka. Mitovy amin’ny toeran’i Kristy eo anatrehan’Andriamanitra ny toeran’izy ireo, nefa ahoana moa Andriamanitra no handray olona ivelan’i Kristy? Ny toeran’ny mpino ao amin’ny Eglizy dia mafy orina tahaka ny famonjena azy. Nefa tsy fombafomba na fisehoana ivelany toy ny batisa no mahavonjy ka mampiditra ao amin’ny Eglizy, fa ny finoana manokana an’i Jesoa Kristy (Romana 10.9). Asian’ny Fanahy Masina tombo-kase io finoana io ary aharihariny (Efesiana 1. 13).

Satria ny mpino rehetra no mandrafitra ny Eglizy, dia azontsika jerena amin’ny hafenoany izy, izany hoe fikambanan’ny mpino rehetra, nanomboka tamin’ny nanirahana ny Fanahy Masina tamin’ny Pentekosta ka mandra-piavin’ny Tompo; izay vondrona feno izay no hasehon’i Kristy ho an’ny tenany ho Fiangonana malaza tsy misy pentimpentina, na fiketronana, na izay toy izany (Efesiana 5. 27). Fa mandra-pahatongan’izany, dia fampianarana ho an’ny Eglizy etỳ an-tany no omen’ny Soratra Masina, Eglizy izay misy ireo kristiana miaina etỳ ambonin’ny tany. Mazava ho azy fa ny Eglizy raisina ho toy izany dia ny fikambanan’ny mpino rehetra eran-tany amin’ny fotoana iray. Tsy ary hifankahalala avokoa tsy akory izy ireo, fa Izy Andriamanitra kosa mahalala ny zanany rehetra, ary mitovy lenta daholo ireo mandrafitra ny Fiangonany. Ny maha-iray io Fiangonana io dia satria mitovy ny fiainana ananan’ny mpino rehetra ao aminy, dia ny fiainan’i Kristy nitsangana tamin’ny maty.

Ireo fanoharana mampiseho ny maha iray azy amin’ny lafiny samihafa

Kisarisary isan-karazany no ampiasain’ny Testamenta Vaovao, anehoana amintsika ny Fiangonana. Ny asongadin’ireo sarisary rehetra ireo dia ny firaisan’ireo izay “nateraka indray” (Jaona 3. 7; 1. 13)

1.               Ny Vady, iray amin’ny Mpampakatra izay niaviany, toa an’i Eva sy Adama. Ny Eglizy dia ilay Vadin’i Kristy ho mandrakizay ao amin’ny tontolo vaovao. Ny fikarakaràn’i Kristy ny Fiangonana ankehitriny dia toy ny ataon’ny Mpampakatra izay miandry ny fotoana hakany ny Ampakarina amin’ny fitiavana masina izay tiany mba hovalian’ny Ampakarina koa (Efesiana 5. 25-30).

2.               Fa ny Eglizy dia antsoina koa hoe tenan’i Kristy (Efesiana 1. 23; 4. 12; 1 Korintiana 12. 12,27). Milaza mihoatra noho ny fifandraisana izany, manambara firaisana aina amin’ny alalan’ny Fanahy iray izay mampiray ny Loha sy ny Vatana. Midika fiainana izany: ireo izay anisan’ny vatana dia manana ny fiainan’Andriamanitra, ny fiainan’i Jesoa ao amin’ireo olony. Tsy olona anisan’ny fiangonana no resahina, ary vao mainka tsy olona anisan’ny fiangonana iray manokana, fa ratsambatan’ny tenan’i Kristy.

3.               Tena mitoetra etỳ an-tany tokoa ny Fanahy Masina. “Tempolin’ny Fanahy Masina” ny mpino tsirairay (1 Korintiana 6.19). Ary ny Eglizy iray manontolo no “tempolin’Andriamanitra” (1 Korintiana 3.16). Izy no tranon’Andriamanitra (1 Timoty 3.15). Miorina eo ambony Vatolampy izy, dia i Kristy, Ilay Zanak’Andriamanitra velona (Matio 16.18); trano mirafitra amin’ny vato velona, dia ireo mpino rehetra (1 Petera 2.5). Io no tranon’Andriamanitra. Noho izany, tsy maintsy mendrika ny toetran’Andriamanitra izay rehetra ao, ambenan’Andriamanitra ireo izay ao mba ho mendrika ny fahamasinan’ny anarany ny fomba fiainan’izy ireo. Ao no toeram-panompoana an’Andriamanitra, toeram-pisoronana masina.

4.               Raha vao niforona ny Eglizy, dia efa Vady, Tena ary Tranon’Andriamanitra izy. Efa hita ao amin’i Kristy amin’ny fahatanterahany izy, nefa koa mbola miorina tsikelikely, noho ny asan’ny Fanahy Masina, mba ho mendrika ny any an-danitra. Fanasana rano, amin’ny alàlan’ny Teny, no hanadiovan’i Kristy ny Fiangonana; mitombo ny tenan’i Kristy… “hampandrosoany ny tenany amin’ny fitiavana” (Efesiana 4. 16); ary farany, “mitombo tsara ho tempoly masina ao amin’ny Tompo” (Efesiana 2. 21) ny Fiangonana. Ny fahatanterahany dia ho hita any an-danitra. Ny Apokalypsy 21 dia maneho antsika ny Eglizy amina endrika fahefatra: ilay Tanàna masina, ilay Jerosalema vaovao hoavy. Mandra-pahatongan’izany anefa, dia vahiny ihany izy eto amin’izao tontolo izao, izay nandà ary mbola mandà an’i Kristy. Ny Eglizy dia tsy anisan’izao tontolo izao, notsoahina avy tetỳ izy, ka mifanohitra amin’izao tontolo izao noho ny maha an’ny any an-danitra azy.

Tsy Eglizin’ny olona izy, fa Fiangonan’Andriamanitra.

 

Ny vidiny

Hoy Kristy miantso azy: “ny fiangonako” (Matio 16. 18). Izy no manorina azy, manam-pahefana aminy Izy, Azy izy. Ireo fahefana aminy ireo dia ny fahefan’ny fitiavana (Efesiana 5. 25). Lazainy amintsika ny vidiny nahazoany azy: nomeny azy ny ainy.

Tsy dia mampiasa firy ny anarana hoe Fiangonan’i Kristy anefa ny Soratra Masina. Matetika kokoa no ahitana ny hoe Fiangonan’Andriamanitra; novidiny tamin’ny ran’ny Zanany io (Asa 20. 28). Ny foto-kevitra momba ny Eglizy dia tsy navela ho an’ny fiheverantsika manokana. Raha manamaivana na tsy miraharaha izany foto-kevitra izany isika, dia manaporofo fa tsy liana amin’izay zavatra tian’Andriamanitra, amin’izay zavatra tian’i Kristy (Apokalypsy 3. 9).

 

Ny toerany ao amin’ny lamina napetrak’Andriamanitra

Ndeha hodinihina akaiky izay ambaran’ny Soratra Masina momba ny tanjon’Andriamanitra mikasika ny Eglizy, mba hanehoana ny voninahiny. Natao hiara-mizara ny voninahitr’i Kristy ho mandrakizay ny Eglizy, i Kristy Ilay Zanak’Andriamanitra tonga Olona mba ho faty ho antsika, ary rehefa natsangana tamin’ny maty, dia mipetraka eo an-tànan-kavanan’Andriamanitra ankehitriny any an-danitra. Ny Fiangonana dia hampikambanina amin’Ilay iray izay hanangonana ny zavatra rehetra (Efesiana 1. 10). Tsy tanteraka i Adama raha tsy nisy an’i Eva. Ilay Nitsangana tamin’ny maty am-boninahitra koa dia tsy tanteraka raha tsy misy ny Eglizy. Ho an’izany hoavy izany no nanorenana azy.

 

Ny anjara asany ankehitriny eo anivon’izao tontolo izao

Voataona isika hanontany tena hoe: nahoana ny Eglizy no avela etỳ an-tany, ary inona no anjara asa hiantsoana azy hataony etỳ. Azo lazaina fa napetraka etỳ an-tany ny Fiangonana mba hankalaza an’Andriamanitra amin’ny fankalazany an’i Kristy. Izany no iantsoana manokana ny kristiana tsirairay, izany no iantsoana manokana ny Eglizy amin’ny maha-fonenan’Andriamanitra amin’ny Fanahy azy. Fomba maro no anaovany izany:

1.  Ijoroany vavolombelona ny maha iray azy amin’i Kristy. Ny fisian’ny Eglizy fotsiny izany dia tokony hampiseho ny fahasoavana sy ny herin’Andriamanitra. Tsy misy fomba fitoriana ny filazantsara mahery noho izany. Tokony haneho izany maha iray izany amin’ny fitiavana sy ny fisarahana amin’ny ratsy izy. Takiana amin’izay rehetra mitondra ny anaran’Andriamanitra izany fahamasinana iainana izany: “Ho masina ianareo, satria masina Aho” (1 Petera 1. 16).

 

2.  Ny Eglizy no ametrahana ny fahamarinana (1 Timoty 3. 15). Tsy izy no loharanon’ny fahamarinana, ny Tenin’Andriamanitra no fahamarinana, Jesoa no fahamarinana, ny Fanahy Masina no fahamarinana, fa tsy ny Fiangonana. Nomena azy ny fahamarinana, anjarany ny maneho izany ampahibemaso sy mitandrina izany tsy anombinana.

 

3.  Ny tranon’Andriamanitra dia trano fivavahana (Lioka 19. 46).

 

4.  Ny Fiangonana dia fisoronana masina mba hanolotra fiderana (1 Petera 2. 5). Mitsaoka ny Tompony toy ny mety ataon’ny Vadin’ilay Mpanjakan’ny voninahitra izy. Amin’ny alalany no ideran’ny Fiangonana an’Andriamanitra Ray, anaovany fanompoam-pivavahana. Ny ivon’io fanompoam-pivavahana io dia ny fahatsiarovana ny nahafatesan’ny Tompo. Ao amin’ny Fiangonana no mivelatra ny Latabatry ny Tompo, ao no ankalazaina ny Fanasàn’ny Tompo (1 Korintiana 11).

 

5.  Miandry ny Tompo izy. Anjarany ny miteny am-pitiavana hoe “Avia, Jesoa Tompo” (Apokalypsy 22. 20).

 

Ireo no anisan’ny andraikitra sarobidin’ny Fiangonana, mahatonga azy ho etỳ an-tany. Azo antoka fa mbola misy hafa. Tombontsoa ireo. Ny olona masina tamin’ny Testamenta Taloha dia tsy mba nahalala izany, satria tsy maintsy nasandratra am-boninahitra aloha i Kristy taorian’ny nahafatesany sy ny nitsanganany tamin’ny maty.

Mba hijoroany ho vavolombelona etỳ an-tany, dia nomena ny harena rehetra ilainy ny Eglizy: izany no “fahasoavan’Andriamanitra amin’ny endriny samihafa”. I Kristy izay efa nasandratra am-boninahitra dia “manome” araka ny fahasoavany izay rehetra ilaina, ireo fanompoana samihafa rehetra ilaina mba hanatevenana sy hamahanana ny Fiangonana (Efesiana 4. 7-16); amim-pahendrena no izaràn’ny Fanahy ny fanomezam-pahasoavana isan-karazany (1 Korintiana 12).

Manoloana ny asan’Andriamanitra dia mirongatra ireo fanafihan’i Satana sy izao tontolo izao mba hampihahaka, handrava ary hanao izay maha-lo. Ny Fiangonana dia manana fitaovam-piarovan-tena manokana: misy fahefana ao aminy, noho ny fisian’ny Tompo eo afovoany. Ny fahefana nomena ny Fiangonana dia aseho ao amin’ny Matio 18. 17-20, mba hitandrovana ny filaminana sy ny fandriampahalemana eo anivon’ny mpirahalahy. Hitantsika koa izany ao amin’ny 1 Korintiana 5. Tokony hanadio tena hiala amin’ny ratsy ny Fiangonana, ary hampihatra fifehezana mety ho tonga hatramin’ny fanesorana ny “mpanao ratsy”. Avy amin’ny Tompo nefa, ary amin’ny anarany, no hampiharana izany fifehezana izany, mba hitsinjovana ny soa ho an’ny rehetra ary indrindra hanarenana ilay nanao hadisoana (2 Korintiana 2: 5-9).

2.            Ny nanaovan’ny olombelona ny Eglizy

 

Ny andron’ny Pentekosta no niantomboka ny fiforonan’ny Eglizy, nefa tsy niseho araka ny tena maha-izy azy izy raha tsy taorian’ireo fanambaràna nomena an’i Paoly, arakaraky ny fielin’ny Vaovao Mahafaly tany amin’ny jentilisa. Tsy nohazavaina tao amin’ny Testamenta Taloha ny zava-miafina momba ny tena tokana manambatra ny Jentilisa (ireo rehetra izay tsy Jiosy) sy ny Jiosy, izay samy afaka mifandray amin’ny Ray amin’ny alàlana Fanahy tokana (Efesiana 2. 14-18). Nandritra ireo andro voalohany indrindra dia niseho taratra teo amin’ny fiangonana tao Jerosalema ny fisainan’I Kristy: ireo izay nino dia naneho ny maha-iray ny Fanahy, niara-naharitra tamin’ny fampianarana sy fiombonan’ny apostoly, tamin’ny famakiana ny mofo sy ny fivavahana. Niray fo sy fanahy izy ireo (Asa 2. 42; 4. 32).

Taonjato sivy amby folo izay no lasa, ary indrisy fa voamarina fa manimba hatrany izay rehetra ankinin’Andriamanitra aminy ny olombelona. Nisy hatrany nefa ireo vavolombelona nifandimby navelan’Andriamanitra, tsy nanombinana ny Teniny ary mbola nitohy ny fielezany, voatory ny Filazantsara ary fanahy maro no niova fo. Saingy voaparitaka ireo zanak’Andriamanitra. Voahosihosy ny fahefan’ilay Mpampianatra. Mety hahasodoka ny fisehon’ny tontolo kristiana, nefa, mba hanorenana ilay trano, dia nafangaro tamin’ireo vato velona ny akora nentin’ny olombelona. Nantsoina hoe kristiana ireo olona marobe izay tsy manana akory pitik’aina ao aminy. Niara-dia ny mpino sy ny tsy mpino.

Efa voambara mialoha daholo izany rehetra izany ao amin’ny epistily fito ao amin’ny Apokalypsy (toko 2 sy 3). Koa tokony hijanona amin’izao ve? Azo antoka fa tsia. Satria mpandresy ny Tompo, dia hitandrina olona ho vavolombelony Izy hatramin’ny farany.

Na toy inona na toy inona fisavorovoroana ankehitriny, ny Fiangonan’Andriamanitra dia mbola ny fikambanan’ireo tena mpino marina, na katolika izy na protestanta na hafa. Ny firaisan’izy ireo dia tena misy mihitsy, ho an’i Kristy sy eo anatrehan’Andriamanitra.

Nefa aiza no hahitana azy? Raha ny fisehoany feno, dia tsy ho hitantsika etỳ an-tany, fa efa very hatry ny ela. Misy hatrany ny hambo hitonon-tena ho kristiana, na ho ilay Eglizy, na ho eglizy kristiana iray, nefa mandray izay tsy niova fo ho toy ny kristiana. Ary raha vao mitonona ho Eglizin’i Kristy na ho isany, dia afatotr’Andriamanitra amin’izany fanambaràna izany ny andraikitra manontolo momba izany.

Araka izany, andaniny, tsy hita havahana intsony ilay tena Fiangonan’Andriamanitra amin’ny ankapobeny, ary ankilany, ny Eglizy mitonona ho izany, izay asan’ny olombelona, dia tsy naongana tamin’izany ny anarany izany.

Inona no làlan-kizoran’ny kristiana? 2 Timoty 2. 19 no mampianatra antsika izany: “Ny Tompo mahalala ny azy”, ary koa: “Mialà amin’ny ratsy, izay rehetra manonona ny anaran’ny Tompo”. Hisintaka mba ho irery? Tsia, fa mba hanatevin-daharana ireo “izay miantso ny anaran’Andriamanitra amin’ny fo madio” (2 Timoty 2. 22). Izay tia ny Tompo dia hahita làlana efa nomaniny mba hifanenany amin’ny mpino hafa mitovy firehana aminy. Izany koa dia asan’Andriamanitra. Na fotoana inona na fotoana inona, dia hain’Andriamanitra ny manokana vondron’olona ho vavolombelona ho Azy, na dia ho bitika indrindra aza. Angatahiny ireo sisa tavela ireo hiara-migoka ny tombontsoa sy hiara-mandray andraikitra hanatontosa ireo asa izay an’ny Fiangonan’Andriamanitra manokana. Mitoetra ilay fampanantenana lehibe hoe raha misy roa na telo mivory amin’ny Anarany, dia eo afovoany ny Tompo. Mety tena io isa io ara-bakiteny no ao amin’ilay fiangonana, nefa tsy ho io irery tsy akory ny totalin’ny Eglizy etỳ ambonin’ny tany, fa fanehoana azy ihany io, ary ankasitrahan’Ilay momba mandrakariva ny “olona ory sy malahelo” izay mialoka amin’ny anaran’I Jehovah (Zefania 3. 12).


 

3.            Koa inona no hatao ankehitriny?

 

Azo zaraina telo ny vondrona kristiana misy ankehitriny:

 Ireo eglizy mitonona ho katolika

Ny Eglizy romana dia milaza fa izy no Eglizy, izy irery, ary nobodoiny ny mpamaritra hoe katolika, izany hoe maneran-tany. Nefa toraka izany koa no famaritana apetrak’ireo Eglizy lehibe tatsinanana izay tsy manaiky ny papa romana. Ireo eglizy ireo dia milaza fa izy ireo irery ihany no Eglizy kristiana manontolo, ary ireo izay very dia tsy maintsy miverina ao aminy. Ny filazany tokoa mantsy dia hoe tsy maintsy mila azy ny olona vao mahazo famonjena; ny fanomezana ny sakramentany dia fanomezana ny fahasoavan’Andriamanitra, ka noho izany, tsy maintsy mila mpitondra fivavahana manana fahefana mihoatra noho ny an’ny olombelona, fahefana izay nolovaina avy tamin’ny apostoly amin’ny alàlan’ny fanokanana ho mpitondra fivavahana.

Ny fampianaran'ny Soratra Masina anefa tsy milaza velively hoe vondrona manome ny famonjena ny Eglizy, fa kosa vondrona misy ny voavonjy rehetra, ary tsy mitovy mihitsy izany.

 

Ireo eglizy ampahany

Ireo Eglizy hafa dia fikambanana ara-pivavahana nisaraka tamin’iretsy voalohany, indrindra hatramin’ny Reformasiona, mba hanangana Eglizy mahaleo tena, ary miavaka ao anatin’ny tontolo kristiana. Ny ankabeazan’izy ireo dia manaiky ny atao hoe “Eglizy tsy hita maso”, izay naorin’i Kristy, ary Andriamanitra irery ihany no mahalala izay anisany. Fa mihevi-tena kosa izy ireo ho fikambanana ilaina mba hanangona ireo olona resy lahatra, mba ho faran’izay maro indrindra, ka hitarika azy ireo hanao fanompoam-pivavahana. Ny fototra ivoriany dia foto-pinoana manokana izatsy na izarỳ. Voasoratra amina boky firaketana ny anaran’ny mpino. Samy manana ny fiainany manokana ireo Eglizy tsirairay ireo, sady samy manaiky fa misy olona tena kristiana tsy ao aminy.

Ireo sokajy roa noresahintsika ireo dia samy manana olona tena kristiana sy olona milaza ho izany fotsiny ihany. Ny batisa no mampiditra ny olona ao anatin’ny fianakaviana kristiana, ary ny “komonio voalohany” (na ny Fandraisana ny Fanasàn’ny Tompo) no mahatonga azy ho isan’ny Eglizy iray voafaritra mazava.

 

Ivelan’ny tobim-pivavahana kristiana (Hebreo 13. 13)

Ny sokajy fahatelo dia ireo fikambanan’ny kristiana, izay vitsy an’isa lavitra, niala tao amin’ireo vondrona roa voalohany, ary niangona araka ny fampianaran’ny Tenin’Andriamanitra, tsy misy mpitondra fivavahana na didy aman-dalàna manokana, fa amin’ny anaran’i Jesoa. Mety efa nisy foana hatramin’izay ireo saingy, dimampolo amby zato taona lasa izay, nony nitsoka ny Fanahin’Andriamanitra mba hamoha ny Eglizy ho amin’ny fahatsapana hoe ho avy tsy ho ela ny Mpampakatra, dia maro ireo nanjary nametra-panontaniana hoe: Aiza ho aiza ny Fiangonana ao amin’izao fisavorovoroana ankehitriny izao, ka lasa nivoaka nankany amin’i Kristy, any ivelan’izay rehetra mety ho fikambanana ara-pivavahana.

Inona no hatao? Tsy hoe hamerina hamorona Eglizy indray toy ny tamin’ny niandohan’ ny bokin’ny Asan’ny Apostoly tsy akory. Fa ny zavatra tokony hataon’ny mpino ankehitriny, toy ny nataon’ireo kristiana voalohany, dia ny mankatò izay lazain’ny Teny. Tsy azo ovàna ny fanorenana napetraky ny apostoly, dia i Kristy ihany, ilay Kristy ambaran’ny filazantsara sy ny epistily, fa tsy foto-pinoana teolojika na foto-pisainana filozofika no hatao fanorenana. “Fa tsy misy mahay manao fanorenana hafa afa-tsy izay natao, dia Jesoa Kristy” (1 Korintiana 3. 11).

Tsarovy fa eo am-pelatanantsika mandrakariva ireo fampitaovana telo lehibe izay tsy miova mihintsy :

-            ny Tenan’i Jesoa, izay ivom-pivoriana

-            ny Tenin’Andriamanitra

-            ny Fanahy Masina, Fanahy mahery sy fitiavana ary mpampianatra.


 

4.            Fampiharana

 

Ireo toetran’ny fivoriana

Tsy ho haintsika ny hamorona indray ny Eglizy, na hitonon-tena ho ny Eglizy. Nefa tokony ho resy lahatra tsara isika ny momba izay tadiavin’ny Tompo amin’ny Eglizy sy ny tombontsoa omeny azy. Na dia tsy tanterany ara-dalàna aza ny iraka nampanaovina azy, dia tsy nesorina taminy izany andraikitra izany: dia ny manome voninahitra an’i Kristy, mijoro ho vavolombelon’ny firaisana naorin’i Kristy, miandry ny Tompo.

Mba hananan’ny fivorian’ny roa na ny telo ny toetra marin’ny Fiangonan’Andriamanitra, dia tsy maintsy fantatr’ireo roa na telo ireo marina izay tadiavin’ny Tompo. Tsy ny isan’ny olona mivory no zava-dehibe, fa ireo toetran’ny fivoriany. Tsy resaka isa io, fa toe-panahy.

Inona àry ireo toetra ahazoana milaza fa fiangonan’Andriamanitra ny fivoriana iray?

-            Tena mpino marina no ao (2 Korintiana 6. 14-18);

-            Mivory amin’ny anaran’ny Tompo Jesoa Kristy izy ireo (Matio 18. 20);

-            Ny fahefan’ny Tompo Jesoa irery ihany no ekeny (Apokalypsy 1);

-            Tsy manaiky mpitarika hafa ankoatra ny Fanahy Masina izy ireo (1 Korintiana 12. 13);

-            Mankatò ny fampianaran’ny Teny izay tena noraisina tanteraka izy ireo (Apokalypsy 3. 8; 2 Tesaloniana 3. 6,14);

-            Tsy leferin’izy ireo ny minia mampiray ny anaran’ny Tompo amin’ny ratsy (1 Korintiana 5. 5-9; 2 Timoty 2. 19-21).

Ireo toetra ireo dia mitaky fanapahan-kevitra izay matetika tsy dia azon’ny olona loatra, na dia ireo kristiana hafa aza. Tsy misy lanjany anefa izany fanapahan-kevitra izany raha tsy baikoin’ny fankatoavana ary raisina amin’ny fanetrentena sy amin’ny fitiavana lalina ny Eglizy manontolo.

Ny atao amin’izany dia sady maneho ny maha iray ny Eglizy manontolo, no misaraka amina tontolo izay fantatra fa misy isan’ny tenan’i Kristy.

Ny mariky ny maha iray ny Tena dia aseho eo amin’ny Latabatry ny Tompo. Eo no miara-mizara ny mofo iray, “ny tenan’i  Kristy”, ary amin’izany no anambaràna fa ny mpino rehetra, na dia maro aza, dia mofo iray ihany, tena iray ihany (1 Korintiana 10. 16-17). Na manatrika eo na tsia ny mpino rehetra, dia tsy anombinana na kely aza ny tombontsoan’ireo manatrika eo ary mieritreritra ny mpino rehetra. Tsy an’ireo manatrika eo tsy akory ny Latabatry ny Tompo, fa natao ho an’ny rehetra, raha tena ny Tompo tokoa no namelatra azy. Raha tsy izany izy dia lasa latabatry ny anaram-pivavahana iray, na sekta mihitsy aza, ary manjary mariky ny fandàvana ny maha iray ny tena. Tokony ho eo daholo ny mpino rehetra. Mino marina izahay fa betsaka ireo kristiana misitraka ny Fanasàn’ny Tompo, amin’ny maha tsangambato fahatsiarovana ny nahafatesan’ny Tompo azy, na inona na inona vondrom-bavaka misy azy ireo, mankalaza izany, nefa ny “Latabatry ny Tompo” dia tsy azo omena fanorenana hafa ankoatra ny maha iray ny tenan’i Kristy, ary mitovy saranga isan’izany tena izany avokoa ny zanak’Andriamanitra rehetra.

Vokatr’izany, ireo fivoriana rehetra, na aiza na aiza, miorina amin’izany foto-kevitra hanamboarana ny Latabatra izany dia miombona, satria miray amin’ny tena sy ran’i Kristy (1 Korintiana 10. 16-17). Fanehoana ny Fiangonana eo an-toerana ny isanisany amin’ireo fivoriana ireo, ary io Fiangonana eo an-toerana io dia ao anatin’ilay Fiangonana maneran-tany, izay iray ihany.

Adidin’ny Fiangonana ny miaro ny Latabatry ny Tompo tsy ho voaloto. Manana ny fahefan’ny Tompo ny amin’izany izy.

Ny kristiana mivory toy izany ve mihambo ho fivorian’olona tanteraka, tsy misy kianina? Indrisy, fa tsia! Nefa araka ny fampianaran’ny 1 Korintiana 11. 28-34, dia tsy maintsy mitsara tena ireo izay manatona ny Latabatry ny Tompo, ary andraikitry ny Fiangonana ny manala ny ratsy raha misy fahotana mibaribary sy tsy nalàna na dia efa nisy fampitandremana aza. Tsy hoe mampiasa zo hitsara tsy akory, fa kosa manome ny Tompo izay mendrika Azy, amin’ny fitandròvana ny voninahitry ny anarany.

 

Inona no anarana hoentina?

Rehefa milaza azy ho katolika, protestanta, kalvinista, metodista, sns… ny kristiana hafa, dia manaraka ny rafikevitra ananany, mitondra ny anaran’ny Egliziny. Fa ny Tenin’Andriamanitra kosa dia tsy mahafantatra afa-tsy Eglizy iray ihany, dia ny Fiangonan’Andriamanitra. Tsy afaka mitondra anarana tsy azon’ny zanak’Andriamanitra rehetra entina isika. Ny Testamenta Vaovao dia miresaka ny “kristiana” (Asa 11. 26; 1 Petera 4. 16). Enga anie ny fijoroantsika ho vavolombelona mba hahatonga ny olona hanome antsika izany anarana izany, dia ny anaran’ireo izay manaraka an’i Kristy!

Imbetsaka no voaresaka ny atao hoe “mpianatra”, ao amin’ny bokin’ny Asan’ny Apostoly. Ny epistily dia miresaka ny atao hoe “olona masina”. Nefa ao amin’ny tantara raketin’ny Asan’ny Apostoly iray manontolo, ary miverimberina hatrany koa ao amin’ny epistily, dia ny anarana hoe “rahalahy” no ampiasaina. Tsy menatra i Kristy miantso amin’izany anarana izany ireo olona izay hamasininy: izy ireo no “rahalahy masina, mpiombona ny fiantsoana avy any an-danitra” (Hebreo 2. 11; 3. 1). Mety ampiasaina ao amin’ny fianakavian’Andriamanitra izany anarana hoe rahalahy izany, tokony hahavantana izany eo amin’ny samy zanak’Andriamanitra. Tsy mila mitady anarana hafa isika. Indrindra moa, tsy hihazona izany anarana izany ho antsika samirery!

Ny fampiharana ny fampianaran’ny tenin’Andriamanitra momba ny fivorian’ny mpino, dia tsy famoronana vondrona vaovao mihitsy tsy akory, izay antsoina hoe “rahalahy”, na “fivorian’ny rahalahy”, fa kosa fivorian’ny samy mpirahalahy angonin’ny fahasoavana, amina vaninandro izay iparitahan’ny zanak’Andriamanitra.

 

Ny mpitondra fivavahana

Ny zavatra manaitra indrindra amin’ireo fivoriana ivelan’ny rafitra ara-pivavahana samihafa dia ny tsy fisiana mpitondra fivavahana sy mpanompo. Manaitra izany, ary matetika aza mampametra-panontaniana ireo olona mahitsy fo izay efa zatra ny fombafombam-pivavahany. Fa angaha kosa moa ao amin’ny Testamenta Vaovao tsy misy miresaka momba ny mpanara-maso, ny loholona, ny mpanompo, ny mpitandrina, ny evanjelista, ny mpampianatra, toy ny ilazàna ny apostoly sy ny mpaminany?

Tsy azo lavina izany, nefa tsara ny manamarika fa tsy misy mihitsy fanambaràna ao amin’ny Testamenta Vaovao hoe ireo olona ireo, na ny sokajy amin’izy ireo, dia fikambanana miavaka amin’ny mpino hafa mba hitarika ny fanompoam-pivavahana na hanatontosa fombafomba izatsy na izaroa. Ny mifanohitra amin’izany aza no hita: ny kristiana rehetra dia raisina ho toy ny mpisorona daholo (1 Petera 2. 5). Tsy ao amin’ny fampianarana kristiana mihitsy ny hoe mpitondra fivavahana. Tsy misy koa ao amin’ny Soratra Masina fanambaràna na faminaniana fa hisy ao amin’ny tontolo kristiana fifandimbiasan’ny mpitondra fivavahana na mpanompo hafa izay hanaovana fanamasinana na fanokanana, izay ataon’ny eglizy samihafa. Ny momba ny apostoly, dia mazava fa ny Tompo no nanendry azy ireo ary tsy nanangana olona handimby azy izy ireo. Raha nisy nanolo ny “fanompoana izay nialan’i Jodasy”, tsy izy iraika amby folo lahy no nanendry azy (Asan’ny Apostoly 1. 24). I Paoly indray dia manamafy hatraiza hatraiza fa Andriamanitra no nanendry azy ho apostoly fa tsy olombelona, ary tsy nanendry olona handimby azy izy. Mitovy amin’izany ny foto-kevitra ijoroana mikasika ny fanompoana rehetra.

Hitantsika tsara fa talohan’ny nahafeno ny Teny, raha mbola teo am-piforonana ny Eglizy, dia nihevitra ireo apostoly tao Jerosalema fa mety ny hanendren’ny fiangonana sy hametrahany olona hitandrina latabatra (Asan’ny Apostoly 6. 1-3) ary hifidianan’izy ireo loholona tao amin’ireo fiangonana tany amin’ny tanin’ny jentilisa (Asan’ny Apostoly 14. 23), toy izay efa fanao hatrizay tany Isiraely. Ny apostoly Paoly, amin’ny fahefana nananany amin’ny maha-apostoly azy, dia nanendry an’i Titosy hanao izany tany Kreta (Titosy 1. 5) ary angamba koa, na dia tsy voalaza mazava aza, an’i Timoty tany Efesosy (1 Timoty 3). Vakiantsika mazava koa ao amin’ny Asan’ny Apostoly 13. 1-4 fa ny mpaminany sy mpampianatra tao amin’ny fiangonana tao Antiokia dia nametra-tànana tamin’i Paoly sy i Barnabasy, fa tsy nanankina asa fanompoana tamin’izy ireo, satria ny Fanahy Masina no niantso azy ireo; nijoro fotsiny ho vavolombelona amin’ny firaisana sy ny fankasitrahana tanteraka izy ireo. Singanintsika koa i Timoty, izay nahazoana faminaniana manokana ary nanana fanomezam-pahasoavana noraisiny “tamin’ny fametrahan-tànan’ny loholona” (1 Timoty 4. 14)  sy tamin’ny “fametrahan-tànan”’ny apostoly Paoly (2 Timoty 1. 6): neken’ny loholona ny nataon’ny apostoly noho ny didin’ny Fanahy Masina, izay nomena tamin’ny faminaniana. Zavatra tsy azo lavina ireo; nefa tsy azo anatsoahana fitsipika hanaovana fanamasinana ofisialy. Tsy vitan’ny hoe tsy nisy nandimby ny apostoly, ary mangina tanteraka ny Teny momba izay mety ho fampitana ny fahefan’ny apostoly, fa mangina tanteraka koa izy momba izay fanendrena olona handray andraikitra ofisialy, na inona izany na inona. Tsy misy olona afaka hilaza fa nahazo fahefana avy amin’Andriamanitra hanao izany.

Mifanohitra amin’izany, ny Teny dia manantitra ny asan’ny Fanahy Masina izay mizara ny fanomezam-pahasoavana sy ny anjara fanompoana (Asan’ny Apostoly 13. 2; 1 Korintiana 12). Ary io asa io indrindra no tsy eken’ny tontolo kristiana. Ny Teny anefa dia milaza hoe: “Ireo rehetra ireo dia asan’ny Fanahy iray ihany, zarazarainy ho azy rehetra avy araka ny sitrapony.”

Tsy ho afaka hiaina tokoa ny Fiangonana raha tsy mampiasa ireo lazain’ny Teny hoe “fanomezam-pahasoavana” (karisma). Ny fanomezam-pahasoavana dia fahaizana omen’Andriamanitra ho an’olona iray manokana, mba hahasoa ny hafa. Tsy avelan’i Kristy ho tsy ampy fanomezam-pahasoavana ny Eglizy. Nanome Izy, manome, ary mbola hanome amin’ny alàlan’ny Fanahy Masina, izay rehetra ilaina mba hamahanana azy, mba hitondrana sy hampiorenana azy, raha mbola etỳ an-tany ihany koa izy.

Ny tsy fisian’ny mpitondra fivavahana raikitra sy fanompoana ofisialy dia tsy midika velively ho fahalalahan’ny daholobe hanao izay tiany hatao amin’ny fanompoam-pivavahana. Ny tena izy, dia ny mamela ny Fanahy Masina hiasa malalaka mba hiasa ny isan-tonony amin’ny tena, ho fanasoavana ny rehetra sy ho araka ny sitrapon’Andriamanitra.

Momba ny fanompoan’ny vehivavy ao amin’ny fiangonana, dia mazava tokoa ny tenin’Andriamanitra: “Mahamenatra raha miteny ao am-piangonana ny vehivavy... Aoka hangina ny vehivavy raha ao am-piangonana, fa tsy avela hiteny izy” (1 Korintiana 14. 35,34). Fanomezam-boninahitra ny Tompo ao amin’ny fiangonana, amin’ny fanajana ny lamina napetrak’Andriamanitra, no tokony hatao.

 

Ireo fivoriana

Mivory amin’ny anaran’ny Tompo ny fiangonana. Ny testamenta Vaovao dia milaza mazava ny amin’ireo fivorian’ny fiangonana, izay atao mahazatra, ara-potoana, izay isehoan’ny fiainan’ny fiangonana eo an-toerana (1 Korintiana 14; Asa 20. 7). Zava-misy iaraha-miaina ireny fivoriana ireny, ary antsoina ny rehetra handray anjara amin’izany, fa tsy hanatrika fotsiny.

Ny vavaka iombonana sy ny fitsaohana iombonana dia hetsika ataon’ny fiangonana hiresahana amin’Andriamanitra.

Tsy azo vinavinaina izany fiangonana eo an-toerana tsy misy fivoriam-bavaka izany.

Ny asa ambony indrindra ataon’ny Fiangonana dia ny fitsaohana. Io no tena fanompoam-pivavahana ara-bakiteny. Omena ho an’Andriamanitra ny dera, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy izay manadio ny fanatitra masina ataontsika. Ireo foto-kevitra amin’izany dia ireo izay aroson’ny Fanahy Masina ho an’ny mpino: ny fitiavan’Andriamanitra, i Kristy amin’ny maha Andriamanitra Azy sy amin’ny maha olona Azy, ny fijaliany, ny fandreseny, ny voninahiny tsy misy fahataperany. Ny andàlan-tsoratra toa ny Asan’ny Apostoly 20. 7, 1 Korintiana 16. 2, dia manamarika fa tamin’ny andron’ny apostoly Paoly, dia natokan’ireo kristiana ny andro Alahady hivoriana, ary indrindra hankalazana ny Fanasàn’ny Tompo. Io no andro voalohany amin’ny herinandro, andro nitsanganan’ny Tompo tamin’ny maty, tsy misy ifandraisany amin’ny Sabata mihitsy, ankoatra ny hoe tsy maintsy ankalazaina ny andron’ ny Tompo. Ny fanompoam-pivavahana dia mizotra ao amin’ny falalahan’ny Fanahy, izay manome soritra tsapan’ny mino rehetra, soritra tanterahina amina fihirana, fisaorana, famakiana ny Teny. Rodon-java-maneno misy mozika samihafa izany, ary eo ambany fitarihan’Ilay tsy hita maso nefa tena manatrika eo mandrakariva.

Azo atao ny manao fanompoam-pivavahana tsy misy Fanasàn’ny Tompo. Nefa tsy misy Fanasàn’ny Tompo tsy misy fanompoam-pivavahana. Miaraka amin’ny fiderana sy ny fisaorana ny Fanasàn’ny Tompo, ankalazaina amin’ny fitsaohana. Io tokoa mantsy no tsangambato fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy, ary ampiasaintsika amin’izany ny fanehoana ireo marika tsy manam-paharoa sy tsy misy mahasolo, izay naorin’i Kristy Izy tenany mihitsy. Amin’ireo marika ireo no ampahatsahivany antsika ny nahafatesany, nefa tsy izany ihany, fa ampahatsahivany antsika koa ny Tenany izay maty, efa maty, ary isika kosa manao izany ho fahatsiarovana Azy.

Manome ho an’ny fiangonana izay mivory amin’ny maha fiangonana azy toy izany ny Tompo. Mampiasa ny Teny ny Fanahy Masina hamohazana ny fo sy ny saina. Miasa ho amin’ny fampiorenana ny olony Izy, amin’ireo “fanomezam-pahasoavana” zarainy ho amin’izany. Ireo talenta ireo dia azo lazaina hoe vavan’Andriamanitra mba hiteny amin’ny fiangonana (1 Petera 4. 11).

Ny tena zava-dehibe dia ny fahatsapana ny fanatrehan’ny Tompo sy ny asan’ny Fanahy Masina mandritra ny fivoriana.

 


 

Mifandraika amin’io lohahevitra io, dia hahasoa ny mandinika ireto boky manaraka ireto:

 

-                     Ny Fiangonan’Ilay Andriamanitra velona, A. Gibert

-                     Ilay anarana mampivory, G. André

-                     Dera ho an’i Jesoa ao amin’ny Eglizy

-                     Ny làlan’Andriamanitra amin’ny andro sarotra, A. Ladrierre

-                     Ny Fiangonan’Andriamanitra na ny maha ampy tanteraka ny Anaran’i Jesoa, C.H. Mackintosh.