MANANA

FANANTENANA

VELONA

AO AMIN'I

KRISTY

 

 

“Kristy Jesoa fanantenàntsika…” 1 Timoty 1.1

 

“… fanantenana velona” 1 Petera 1.3

 

 

 

 

 

 

S. Fayard

 

 

 

 

 

 

 

 

“Avoir une espérance vivante en Christ”

Bibles et Publications Chrétiennes

30, rue Chateauvert F-26000 Valence


 

Fizahàn-takila>


 

Fampidirana

 

5

1. Ny fiverenan’ny Tompo Jesoa

7

            I Jesoa Izy tenany mihitsy no hiverina

7

            Ireo dingana roa amin’ny fiverenany

 

8

2. Miomana ho amin’io fiverenany io

 

11

3. Ireo lafin’ny fanantenana kristiana

13

            Fanantenana ny fahasoavana

13

            Fanantenana ny fitsanganana amin’ny maty

 

14

            Fanantenana ny voninahitra

15

            Fanantenana ny fanafahana ny voary manontolo

 

 

16

4. Ny fiantraikan’ny fananana fanantenana

18

            Manamasina ny fanantenana

18

            Ny fanantenana iainana dia fijoroana ho vavolombelona

 

19

            Mitari-dalana ny fanantenana

20

            Mampahery ny fanantenana

21

            Mahatonga antsika hafana fo amin’ny asa fanompoana ny fanantenana

 

 

22

5. Fehiny

23

            Ny maha-zava-dehibe ny fanantenana

23

            Hevitra vitsivitsy momba ny fanantenana

25


 

Fampidirana

 

“Hisaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, Izay niteraka antsika indray, araka ny haben’ny famindràmpony, ho amin’ny fanantenana velona tamin’ny nitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty”[1], hoy ny apostoly Petera. Ary hoy indray koa i Paoly: “Kristy Jesoa fanantenàntsika”[2]. Mazava fa tena zava-misy marina ny fanantenana kristiana ary azo antoka. Mifaningotra tanteraka amin’ny Tompo Jesoa izy io, dia amin’ny asa nataony sy ny fitsanganany tamin’ny maty. Io fanantenana io ihany koa dia mifamatotra akaiky amin’ny finoana sy ny fitiavana, izay mbola ny Tompo Jesoa koa no loharano ipoirany sy antoky ny fahafenoany. Tsy fahatsapana mbola mampisalasala sy tsy hita fototra tsy akory ny fanantenana — toy ny filazana amina marary hoe: “Antenaiko fa hisy fihatsarana ianao rahampitso” — fa fiandrasana amim-pahazoana antoka tanteraka sy amim-pahatoniana an’izay nampanantenain’Andriamanitra. Mifamatotra amin’ny fiverenan’ny Tompo Jesoa ny zavatra rehetra. Izy no fanantenàntsika, satria ao Aminy no ahatanterahan’ny fampanantenana rehetra nataon’Andriamanitra[3].

Raha tiantsika hiboiboika ao am-pontsika ny fanantenana, dia tsy maintsy raisintsika amim-pinoana ny fitiavana atolotr’Andriamanitra sy ilay fanomezany sarobidy indrindra, dia ny Tompo Jesoa Kristy.


 

1. Ny fiverenan’ny Tompo Jesoa

 

I Jesoa Izy tenany mihitsy no hiverina

 

Ao an-tranon’ny Raiko (hoy i Jesoa), misy fitoerana maro;…fa handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho. Ary raha handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho, dia ho avy indray ka handray anareo ho any amiko, ka izay itoerako no hitoeranareo koa.[4]

 

 

Ho avy indray aho. Izany fampanantenana izany no nentin’ny Tompo Jesoa nampahery ireo mpianany. Izany fampanantenana izany koa moa no notsahivin’ny apostoly Paoly tamin’ireo kristiana tao Tesalônika. Ny fiandrasana ny fiavian’i Jesoa no ivon’ny fanantenana kristiana: ny fiandrandrana an’Ilay Jesoa tena tia antsika sy te handray antsika ho eo anilany. Tsy haniraka anjely Izy, fa Izy tenany mihitsy no ho avy handray ireo rehetra nametraka ny tokiny tao aminy.

Hatrany amin’ny Testamenta Taloha no efa nisongadina fa olona anankiray no nifantohan’ny fanantenàn’ny mpino, dia ny Mesia. Nampanantena ny hiavian’ny mpanafaka sady mpanavotra Andriamanitra, tamin’ny nanambaràny fa ho avy ny andro hanorotoroan’ny taranaky ny vehivavy (ny Kristy no tondroina amin’izany) ny lohan’ny menarana (i Satana)[5]. Manambara sy manantitra ny Testamenta Taloha, ao amin’ireo pejy rehetra mandrafitra azy, fa ho avy tokoa io mpanafaka io, dia ny Mesia.

Nefa tsy ho mpanafaka eo amin’ny lafiny pôlitika tsy akory no antony nahatongavan’i Jesoa. Ny hanatanteraka ny asa fanafahana antsika amin'ny fanandevozan’ny fahotana no nahatongavany. Tsy maintsy niaritra fahoriana sy nandalo fahafatesana Izy mba hahefany izany. Ankehitriny, efa nitsangana tamin’ny maty Izy, ary nasandratra eo anatrehan’ny Ray. Izany dia manome antoka ny mpino ny amin’ny fananany toerana miaraka amin’io Jesoa io ao amin’ny voninahitra.

 

Ireo dingana roa amin’ny fiverenany

 

Hahita isika, raha mamaky amim-pifantohana tsara ny Tenin’Andriamanitra, fa misy dingana roa miavaka tsara amin’ilay fiavian’ny Tompo fanindroany et an-tany: dingana roa ao anatin’ny dia indray maka ihany.

            1°) Hidina Izy haka ireo olony ho any an-danitra[6]. Ao anatin’ny indray mipy maso no hananganany avy amin’ny vovoka ny vatan’ireo tena kristiana marina tokoa (mbamin’ireo mpino tamin’ny Testamenta Taloha) izay efa maty. Ary hovainy koa, miaraka amin’izay, ny vatan’ireo kristiana mbola velona, ary dia hiara-hakariny ireo. Hitsena Azy eny amin’ny rahon’ny lanitra isika kristiana. Tsy ho hitan’izao tontolo izao izany fampakarana izany.

            2°) Fotoana fohy aorian’izany, dia hotanterahiny indray kosa ny dingana faharoa amin’ny fiaviany. Tsy mitovy amin’ilay dingana voalohany ity faharoa ity. Ny tenany irery mantsy no nidina tamin’ilay fahatongavany voalohany, fa omban’ireo anjely marobe sy ireo olony kosa Izy, dia ireo mpino voavidiny[7], amin’ilay fotoana hisehoany amim-boninahitra. Hahita Azy izao tontolo izao amin’izay fotoana izay[8]. Hitsara ny tany Izy, ary hanorina eto an-tany ny fanjakàny arivo taona, aorian’izany. Hanana anjara amin’ny voninahitry ny fanjakàny ny kristiana ary hiara-manjaka aminy[9].

Hisy zava-dehibe hitranga, manelanelana an’ireo dingana roa ireo. Ao ireo trangan-javatra (izay tsy hotantaraintsika amin’ny antsipiriany) hampihorohoro fatratra ny tany sy ny mponina ao aminy. Ao kosa ireo trangan-javatra mitory voninahi-dehibe ho an’ny lanitra sy ny mponina ao aminy. Hiseho eo anoloan’ny fitsaràn’i Kristy ireo tena kristiana marina tokoa, izay nitsena ny Tompo[10]. Tsy hiseho eo toy ny olo-meloka nantsoina mba hotsaraina anefa izy ireo[11], fa hiseho eo mba hampihanjahanjana izay rehetra nataony, na ny tsara izany na ny ratsy[12]. Ho hitany miharihary eo ambanin’ny fahazavan’Andriamanitra ny asany rehetra, ny teniny, ny antony nanosika azy nanao zavatra, dia araka izay nahitan’ny Tompo sy nitsarany izany. Hanaiky tanteraka ny fijerin’ny Tompo izy ireo amin’izany, ary ho diboka hafaliana sy ho feno fiderana noho ny fahatsapana izay rehetra nataon’ny Tompo teo amin’ny fiainany.

Trangan-javatra iray be voninahitra hiseho amin’io fotoana io koa ny fampakaram-badin’ny Zanak’ondry[13]. I Kristy io Zanak’ondry io; ny Fiangonana no vady ampakariny — izany hoe ny fitambaramben’ireo tena kristiana marina tokoa. Ho olona asaina amin’io fotoana io kosa ireo mpino sisa rehetra, toa an-dry i Abrahama, ry i Davida…, dia ireo mpino rehetra tany alohan’ny vanim-potoana kristiana. Fampakaram-badin’ny Zanak’ondry io, anarana izay mampahatsiahy amin’ny Fiangonana fa nijaly ho azy sy maty ho azy ny Tompony.


 

2. Miomana ho amin’io fiverenany io

 

Dia miomàna koa ianareo; fa ho avy ny Zanak’olona amin’izay ora tsy ampoizinareo[14].

 

Ahoana no fomba hivononantsika? Mba ho vonona tsara isika dia tsy maintsy hisy solika ny fitoeran-jirontsika, araka ny hitantsika ao amin’ny fanoharana momba ireo virijiny folo[15]. Izany hoe nandray ny fiainana sy ny Fanahin’Andriamanitra, tamin’ny alalan’ny finoana ny Tompo Jesoa. Tsy maintsy miantehitra tanteraka amin’ny asa nefain’i Jesoa teo amin’ny hazofijaliana irery ihany isika, mba ho vonona. Amin’izao fotoana izao indrindra no tokony hiomana. Hikatona ny varavarana, rehefa higadona ny Tompo Jesoa. Ho tara loatra raha amin’izay fotoana higadonan’ny Tompo izay ianao vao hiomana!

Tsy maintsy mivonona koa ireo rehetra efa nanatona ny Tompo, izany hoe ireo efa zanak’Andriamanitra, eo amin'ny fiainany andavanandro. Mila mivonona izy mba ho toetra araka izay ankasitrahin’ny Tompo no hahatrarany azy. Olona manao ahoana moa no hahitan’ny Tompo antsika, raha ho avy Izy? Moa olona manana fo miredaredam-pitiavana Azy ve, sa olona mangatsia-po? Moa olona feno lolompo ve, sa olona nahay namela heloka? Moa olona fatra-piahy ny tombontsoan’ny tenany manokana ve, fa tsy mba nisaina ny an’ny Tompo? Ary toerana aiza no hahitany antsika? Moa eo amina toerana ekeny hahitana antsika ve? Moa amina asa ankasitrahiny ve? Aoka isika hiomana ho amin'ny fiverenany! Aoka isika hiambina sy hivavaka.

 


 

3. Ireo lafin’ny fanantenana kristiana

 

Io fiverenan’ny Tompo Jesoa io no ipoiran’ny zavatra rehetra: ny fanantenana ny fahasoavana, ny fanantenana ny voninahitra, ny fanantenana ny fanafahana!

 

Fanantenana ny fahasoavana

 

Koa amin'izany sikino ny sainareo, dia mahonòna tena, ka antenao tsara ny fahasoavana izay hoentina ho anareo amin'ny hisehoan’i Jesoa Kristy[16]

 

Mampahatsiahy ny tombontsoa manokana omen’Andriamanitra antsika sy ny fitiavana atolony antsika, na tsy mendrika izany aza isika, ny teny hoe fahasoavana. Ny hoe manantena tsara ny fahasoavana dia fahazoana antoka, tsy ombam-panahiana na fisalasalana, fa hoentina ho antsika io fahasoavana io, ka efa antsika sahady izany, dieny izao. Tsy maintsy mihevi-tena ho toy ny mpivahiny isika, dia mpivahiny izay mahatsapa fa tsy an’ity izao tontolo izao ity intsony, mba ho afaka ny hanana izany fanantenana izany[17]. Tsy maintsy “mahonon-tena” isika, ka tsy hitady afa-tsy izay tokony ho sahaza antsika ihany mandritra ny fotoana fohy andalovantsika et an-tany, ndrao ho voavily amin’ilay tanjontsika, na ho voasemban’ireo zavatra izay ivelany ihany.

Io fahasoavana izay hoentina ho antsika io izany dia tsy inona akory, fa mariky ny fahatontosan’ireo fahasoavana rehetra noraisintsika tao amin’i Kristy[18]. Voafaoka ao anatin’izany ny fahasoavana izay efa miantoka sahady ny famonjena ny fanahintsika sy ny tombontsoa manokana (na ny fahasoavana) izay efa itoerantsika ankehitriny[19]. Ary anampiny izany ny fananganana ny vatantsika amin’ny maty.

 

Fanantenana ny fitsanganana amin’ny maty

 

Noho izaho manantena ny fitsanganan’ny maty[20].

 

Hatramin’ny fotoanandron’i Jesoa no efa nino sy nanantena ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty ireo Jiosy mpivavaka. Miandry ny hananganana an’ireo nodimandry tao amin'ny Tompo koa isika kristiana ankehitriny. Hitranga izany rehefa miverina ny Tompo Jesoa. Fampiononana lehibe tokoa izany[21]!

Herin’ny hafatra kristiana, sy maneho ny fahatsarany, ny filazana fa resin’i Jesoa Kristy, Ilay efa maty kanefa velona mandrakizay mandrakizay, ny fahafatesana[22]. Hitsangana amim-boninahitra ny isam-batan’olona amin’ireo tena kristiana marina efa maty ka nandalo fahalòvana ara-batana. Toy ny hoe mametraka voa afafy ao anatin’ny tany isika rehefa manitrika ao am-pasana ny vatan’ny olo-malalantsika. Ny fanahiny kosa efa mitoetra eo anilan’ny Tompo[23]. Rehefa hiantso amin’ny feo mahery ny Tompo dia hitsangana indray io vatana io, hitafy voninahitra, ary tsy ho azon’ny ota sy tsy handairam-pahafatesana intsony.

Isika izay mbola velona ankehitriny, “tsy hodimandry avokoa isika rehetra”, kanefa “hovana isika rehetra”[24], amin’ny alalan’io herin’ny fananganana amin’ny maty io ihany, mba hiaraka amin’i Kristy ka hitafy vatana mitovy amin'ny Azy.

 

Fanantenana ny voninahitra

 

Aoka isika hifaly amin'ny fanantenana ny voninahitr’Andriamanitra[25].

 

Maneho ny fanatrehan’Andriamanitra, izay miasa mahery, sy ny famirapiratany, ny voninahitr’Andriamanitra. Io no endriky ny fahatsarany, izay Azy manokana. Ny fitambaraben’ireo toetra maneho ny fahatanterahany, ao anatin’ny firindrana mahavariana, no mandrafitra an’io voninahiny io: fitiavana, fahamasinana, fahamarinana, hatsaram-po, …

I Jesoa no famirapiratan’ny voninahitr’Andriamanitra, Izy no “endriky ny tenany”[26]. Ao anatintsika Izy, “Izay fanantenana ny voninahitra”[27]. Hampiditra ny Fiangonany ho eo amin’ny fanatrehan’Andriamanitra Izy, amin'ny fotoana iverenany, mba ho hitan’ny Fiangonany ny voninahitr’Andriamanitra, izay hatao hita maso amin’ny alalan’i Jesoa sy ao aminy[28].

Tsy vitan’ny hoe hahita ny voninahitry ny Tompo Jesoa isika, hahita ny fahatsarany, fa isika mihitsy koa no ho taratr’izany[29]. Tsy hoe ho an’ny isam-batan’olona ihany ilay voninahitra ho avy, fa hiraisan’ny rehetra koa. Izany no ho anjaran’ny Fiangonana, izay angonina ho iray eo anilan’ny vadiny, dia ny Tompo Jesoa[30]. Ho tafakambana amin'ny Tompony ny mpino rehetra, tafakambana aminy ao anatin’ny rohim-pifankatiavana sy fifaliana hitohy tsy tapaka.

 

Fanantenana ny fanafahana ny voary manontolo

 

Fanantenana koa fa izao zavatra ary rehetra izao aza dia hovotsorana amin'ny fahandevozana, dia ny fahalovana[31].

 

Hitsahatra avokoa, amin’ny fotoana hiavian’ny Tompo Jesoa, na ny tsy fahamarinana, na ny fahotana sy ny voka-dratsiny rehetra, na izay rehetra manimba ny noarin’Andriamanitra, na izay rehetra mampahory antsika. Hanorina ny fanjakàm-pahamarinany sy fanjakàm-piadanany ny Tompo Jesoa, aorian’ireo fitsarana henjana hahatrany et an-tany[32]. Hafahana amin'ny fanandevozan’ny fahalòvana ny voary manontolo, mba hisitraka ny “fahafahana izay momba ny voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra”[33].

Anterina etoana fa ny fanantenana kristiana dia tsy hoe miandry karazana fanovàna amin’ny fomba majika ny tontolo, hahatonga tampotampoka ny zavatra rehetra ho tsara sy ny manan’aina rehetra ho sambatra. Aorian’ireo fitsarana izay hitranga et an-tany vao hiorina ny fanjakàm-pahamarinana sy fanjakàm-piadanan’Andriamanitra. Hiverina indray ny Kristy, hitsara ny olombelona rehetra. Amin’izao fotoana ankehitriny izao no tokony hihaonantsika aminy amin'ny maha Mpamonjy Azy. Koa, henoy izay ambarany amintsika: “Izay mandre ny teniko ka mino Izay naniraka Ahy no manana fiainana mandrakizay ka tsy hohelohina”[34].


 

4.   Ny fiantraikan’ny fananana fanantenana

 

Mety halaim-panahy hihevitra isika, raha tsy manadihady, hoe hiaina am-piononana hiandry fotsiny ny fiverenan’ny Tompo Jesoa mba hanatanteraka ny faniriany, ny kristiana izay efa manana ny fanantenàn’ny lanitra. Ny mifanohitra tanteraka amin’izany anefa no mitranga: manova ny fiainantsika ny fanantenana, manetsika ny momba antsika manontolo, manova ny rafitry ny soatoavintsika, ary manefy antsika havitrika amin'ny asa fanompoana.

 

Manamasina ny fanantenana

 

Ho tahaka Azy isika, fa ho hitantsika Izy, dia izay tena endriny tokoa. Ary izay rehetra manana izany fanantenana miorina aminy izany dia manadio ny tenany mba hadio tahaka Azy[35].

 

Manoritra tanjona vaovao ho antsika ny fanantenana kristiana. Mampitodika antsika ho amin’i Kristy izy. Manadio ny tenantsika hadio tahaka an’i Kristy isika. Ampahafantarin’ny Fanahy Masina antsika tsikelikely, mba hialantsika, izay zavatra rehetra eo amin’ny lafim-piainantsika tsy mifanaraka amin’izay tokony hahatraran’ny Tompo antsika amin'ny fotoana hiaviany.

Mifanohitra amin’izany kosa, mitady izay hahitantsika fahafinaretana eo amin’izao tontolo izao isika, rehefa marisarisa ny fiandrasantsika ny fiavian’ny Tompo Jesoa. Nambarany moa fa tsy misy toerana ho Azy eo amin’io izao tontolo izao io. Tonga mafy fo sy mpanjakazaka isika[36], na kamo hanantanteraka izay angatahin’Andriamanitra amintsika, ka tsy mahatratra ny fenitra anton’ny iainantsika.

 

Ny fanantenana iainana dia fijoroana ho vavolombelona

 

Ary aoka ho vonona mandrakariva ianareo hamaly izay manontany anareo ny amin'ny anton’ny fanantenana ao anatinareo, nefa amin’ny fahalemempanahy sy ny fanajana[37].

 

Ho tsikaritry ny hafa isika, raha toa ka miandry marina tokoa ny fiavian’ny Tompo Jesoa. Tsy ho tahaka ny hafa mihitsy mantsy ny mpino izay manana fanantenana mitoetra ao anatiny. Ho azo vakina eny aminy ny fifaliana amin’ny fanantenana[38]; ho hita soritra eo aminy ny fahazoana antoka vokarin’ny fanantenana ny famonjena[39]. Hitondra tena ao anatin’ny fiadanana sy ny fahamasinana izy, hitoetra ho madio na dia hodidinin’ireo karazam-pahalotoana aza. Tsy ho takona afenina izany maha hafa azy izany.

Ny hivononana mandrakariva hamaly izay manontany antsika ny amin’ny anton’ny fanantenana ao anatintsika no tena zava-dehibe. Tokony ho amim-pahalemempanahy sy amim-panajana ny famalintsika, amim-panajana rehefa miresaka zavatra mikasika an’Andriamanitra; mamaly araka ny hamorampanahin’ny fahasoavana, izay tsy mba mieboebo fa manetry tena ho fanompoana ny namana. Ny Fanahy Masina no hanome ny teny sahaza holazaina, amin’ny fotoana tokony hilazana izany. Araka ny haben’ny ao am-po no itenenan’ny vava[40] .

 

Mitari-dalana ny fanantenana

 

Izaho (i Jesoa) no Solofo sy taranak’i Davida, ny kintana mamirapiratra fitarikandro[41].

 

Fahazoana antoka mafy orina ny amin’ny hoavy, fitokiana tanteraka amin’Andriamanitra, ireo no manafaka antsika amin’ny tahotra ny ampitso. Mampihanjahanja amintsika ny tena toetran’ity izao tontolo izao ity ny fanantenana kristiana, satria isika “manana ny teny faminaniana atao mafy orina kokoa… fa toy ny jiro mahazava ao amin’ny fitoerana maizimaizina izany”[42], izany hoe ao amin’ny hamaizinan-tsain’izao tontolo izao. I Jesoa no ilay kintana fitarikandro izay manondro ny lala-marina tokony hizorana. Te hanafaka antsika amin’ireo zavatra katsahin’ny olombelona fatratra amin’izao fiainana izao Andriamanitra. Tsy mba et amin’izao tontolo izao mantsy ny harentsika, fa any an-danitra[43].

 

Mampahery ny fanantenana

 

Mahareta koa ianareo, mampahereza ny fonareo, fa efa mby akaiky ny fiavian’ny Tompo[44].

 

Mampahery eo amin’ny fizahan-toetra sy ny fahoriana[45] ny fanantenana. Izany fanantenana izany no nampitraka ny Tompo Jesoa, “Izay naharitra ny hazofijaliana… mba hahazoany ny fifaliana napetraka teo anoloany”[46]. Nampahery kristiana maro manoloana ny fahafatesana ny fanantenana: ireo maritiora, aloha, sy ireo rehetra maty tamin’ny finoana. Arakaraka ny mampahery ny fanantenana no mainka hanaovana ezaka amin-kafanampo. Miteraka fahazoana antoka tsy azo hozongozonina ny fananana fanantenana mafy orina. Arakaraka ny haniriantsika fatratra izay zavatra mifandraika amin’ny fiavian’ny Tompo no mainka hiorenantsika mafy[47], ka tsy hihozongozonantsika mihitsy.

 

Mahatonga antsika hafana fo amin'ny asa fanompoana ny fanantenana

 

Sambatra ny mpanompo izay ho hitan’ny tompony fa indreo manao toy izany raha avy Izy[48].

 

Ahoana moa no tsy hikatsahako fatratra an’izay hanompoana ny Tompo, raha fantatro izao fa, amin’ny indray mipy maso fotsiny, dia ho eo anilany aho, hiara-tsambatra aminy sy hiara-mitafy voninahitra aminy? Fomba maro samihafa no azontsika anefana izany: fitoriana ny filazantsara, fanambaràna ny tenin’Andriamanitra, fampaherezana an’ireo izay mijaly… Toy izao no namehezan’ny apostoly Paoly ny fampianarany mikasika ny fitsanganan’i Kristy tamin’ny maty, sy ny amin’ny fiaviany indray, raha nanambara ny amin’izany izy ao amin'ny 1 Korintiana 15: “Koa amin'izany, ry rahalahy malalako, dia miorena tsara, aza miova, ary mahefà be mandrakariva amin'ny asan’ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin'ny Tompo”[49].

 


 

5.   Fehiny

 

Ny maha zava-dehibe ny fanantenana

 

Ny Testamenta Vaovao iray manontolo dia azavain’ny fiverenan’ny Tompo Jesoa (mihoatra ny in-300 no ilazany ny amin’izany). Misy aza moa boky tsy miresaka mihitsy afa-tsy ny amin’io lohahevitra mikasika ny fiavian’ny Tompo io (ny 1 sy 2 Tesaloniana ary ny bokin’ny Apokalypsy).

Tamin’ny fiandohan’ny fiangonana, dia niaina tamin’ny fiandrasana ny fiverenan’ny Tompo ny kristiana[50]. Tsy nomen’ny Tompo ny daty hahatongavany, tsy nilaza faminaniana tsy maintsy ho tanteraka mialoha ny dingana voalohany amin’ny fiaviany Izy[51]. Izany no nataony, dia ny mba hahatonga an’ireo kristiana isam-batan’olona hiandry Azy isan’andro isan’andro, na inona na inona vanim-potoana iainany, ka hahatonga izany fiambenany izany hitondra ireo vokatra notanisaintsika tetsy ambony ireo, eo amin'ny fiainany.

Tsy midika tsy akory ny mbola tsy fahatanterahan’io fampanantenana nataon’ny Tompo ny amin’ny hiaviany faingana[52] io, na efa taonjato maro aza no nidify, fa mitaredretra amin’ny fanatanterahany izany Izy. Efa nilaza ny apostoly Petera tamin'ny taratasy toa fanaovam-beloma nataony, ao amin’ny episitily faharoa nosoratany, hoe: “Ny Tompo tsy mahela ny teny fikasàny, araka izay ataon’ny sasany ho fahelany, fa mahari-po aminareo Izy, ka tsy tiany hisy ho very”[53]. Ary anteriny fa Aminy, dia tsy misy ny fotoana: ny indray andro Aminy dia toy ny arivo taona ary ny arivo taona toy ny indray andro[54].

Io fiandrasana isan’andro isan’andro io dia nanohana ireo mpino mpikambana tao amin'ny Fiangonana voalohany, raha nandia fizahan-toetra izy ireo, nisedra fahoriana, eny niatrika hatramin’ny ny fahafatesana aza noho ny fihazonany ny finoany. Indrisy, zary nailika tsikelikely izany fahamarinana izany hatramin’ny taonjato faha-19. Niverenana indray, tamin’io vanim-potoana io, ny fanambaràna ny fiavian’i Kristy hampakatra ny Fiangonany. Nambara tamin-kery izany ary nitondra fifohazam-panahy lehibe. Io fiandrasana ny fiavian’ny Tompo io, izay zava-misy velona sy mitoetra mandrakariva, no loharano mahagaga anovozan’ireo mpino hery ara-panahy.

Tsy manova na inona na inona amin’ny lanjan’io fahamarinana io ny tsy finoan’ny mpaniratsira. Noho izany, ho avy indray i Jesoa. Tsy miandry ny fihatsaran’izao tontolo izao, na ny fiovampony, isika. Tsy ny fahatanterahan’izay vinavina hanjakan’ny fiadanana na ny fahamarinana tsy akory no ifotoran’ny fanantenantsika. Miandry olona izay tiantsika isika: i Jesoa Kristy.

Manefy antsika hiaina amin’ny maha kristiana, araka izay ambaran’ny Baiboly, ny fiandrasana ny Tompo Jesoa. Manaitra ny saina ny mahamarika fa tafatoetra tsara ao anatin’ny finoana sy nanam-pitiavana miredareda Ilay Kristy, ireo rehetra nikolokolo io fanantenana io tamin’ny fony manontolo. Moa mba diboka hafaliana ve ny fontsika isaka izay misaintsaina isika fa ho avy indray i Jesoa?

 

Hevitra vitsivitsy momba ny fanantenana

 

“Aza manantena zavatra hafa ankoatra an’Ilay Andriamanitrao. Aoka ho Izy irery no hany fanantenanao.”

Md Augustin

 

“Mifamatotra amin’ny finoana sy ny fitiavana ny fanantenana kristiana[55]. “Ny finoana dia fahazoana antoka ny zavatra antenaina”[56]. Ny finoana no mandray ny fampanantenana omen’Andriamanitra. Izy izany no mamelona ny fanantenana, ary ny fanantenana no mampamirapiratra ny finoana. Samy fanomezana avy amin’Andriamanitra izy roa ireo[57].

Tsy inona akory ny fanantenana fa fiandrasana an’ireo zava-tsoa andrandrain’ny finoana fa ho azo, noho ny teny efa nomen’Andriamanitra. Ny finoana no fototra iorenan’ny fanantenana; ny fanantenana kosa mamahana sy manohana ny finoana.”

Jean Calvin

 

“Tamin’ny vanim-potoana rehetra, ny toetra manokana izay an’ny finoana samirery dia ny fametrahany amin’Andriamanitra irery ihany ny fanantenàny, araka izay nampahafantaran’Andriamanitra ny tenany. Miala ny ahiahy sy ny tahotra rehefa mitodika amin’Andriamanitra ny fontsika, fa mitoetra kosa ny fiadanana ao anatin’ny fahatokiana an’Andriamanitra sy ao anatin’ny fikatsahana mandrakariva ny fankasitrahany.”

André Gibert

 

“Ny fitiavana no vato fototry ny fanantenana, satria ny fanantenana dia mihoatra lavitra noho ny fanantenana zavatra. Olona mantsy no antenaina fa tsy zavatra. Fiandrandrana fihaonana izy io, fihaonana amin’Ilay Iray izay tia antsika, dia ny Tompo Jesoa. Izany fiandrasana ny Tompo izany no manova ny fiainantsika ka manome azy herim-po, fifaliana, ary fiadanana.

Ny fahafatesana no hany anjara andrandrain’ny fiainana an-tany. “Tahaka ny aloka ny andronay et an-tany, ka tsy misy fanantenana”[58]. Ny fanantenana kristiana kosa dia fanantenana velona[59], satria i Kristy no antenainy. Tamin’i Kristy no nandraisantsika fiainana vaovao, Izy no nanafaka antsika tamin’ny vahohon’ny fahafatesana. Tsy fanantenana fiainana ho avy ihany izany, fa fiainana izay manantena, dia ny fiainan’i Jesoa izay efa ananana sahady”

hoy i André Gibert

 

 

“I Jesoa no hany fanantenana, i Jesoa izay namakivaky ny fahafatesana ary mitoetra ho mpandresy izany mandrakizay mandrakizay.”

Guy Appéré

 

 

Ny lanitra no fanantenana kristiana. Ny lanitra no ho fonenantsika rahatrizay fa tsy ny tany. Efa mizaka ny zom-pirenen’ny lanitra sahady isika, dieny ankehitriny[60]. Ny lanitra no tena trano fonenan’ny kristiana, any no “any aminy”. Izany toetra maha an’ny lanitra ny fanantenana kristiana izany no mamaritra izay tena anjara toerana misy ny mpino et amin’ity izao tontolo izao ity: vahiny sy mpivahiny isika et, an-dalana ho any amin’ilay tanindrazantsika, iraka solon’i Kristy[61]. Aoka isika hanao soa amin’ny olona rehetra, ary hiaina ny antson’ny lanitra niantsoana antsika[62]!

 

Hoy Izay manambara ireo zavatra ireo: Eny, avy faingana Aho. Amena, avia, Jesoa Tompo[63].


Misy bokikely maromaro ireto, mamahavaha ny lohahevitra hitanao tato. Mamporisika anao izahay hamaky azy ireto:

 

 

Ny faharetana miandry ny fiavian’ny Tompo,

S. Prod’hom

 

Ny fiavian’ny Tompo, C.H. Mackintosh

 

Fiainana mifanaraka amin'ny fiandrasana ny fiavian’ny Tompo, H. Rossier

 

Nakarin’Ilay Vady,

ary miverina miaraka amin’ny Mpanjaka

 

Ny fitsanganana amin'ny maty, fahamarinana fototra voizin’ny Filazantsara – Ny fitsanganana roa karazana J.N. Darby

 

 



 

[1] 1 Petera 1. 3

[2] 1 Timoty 1. 1

[3] 2 Korintiana 1. 20; Romana 15. 8

[4] Jaona 14. 2-3

[5] Genesisy 3. 15

[6] 1Tesaloniana 4. 16

[7] Matio 16. 27; 2 Tesaloniana 1. 10

[8] Apokalypsy 19. 14

[9] Apokalypsy 19. 14; 1 Korintiana 6. 2

[10] 2 Korintiana 5. 10

[11] Jaona 5. 24

[12] 2 Korintiana 5. 10

[13] Apokalypsy 19. 7

[14] Lioka 12. 40

[15] Matio 25. 4,10-11

[16] 1 Petera 1. 13

[17] Eksodosy 12. 11; Lioka 12. 35

[18] Jaona 1. 16

[19] Romana 5. 2; 1 Petera 5. 12

[20] Asa 23. 6 - DIEM

[21] 1 Tesaloniana 4. 15

[22] Apokalypsy 1. 18

[23] 1 Korintiana 15. 38,42

[24] 1 Korintiana 15. 51

[25] Romana 5. 2

[26] Hebreo 1. 3

[27] Kolosiana 1. 27

[28] 2 Korintiana 4. 6

[29] 2 Tesaloniana 1. 10

[30] Apokalypsy 21. 10; 2 Timoty 2. 10

[31] Romana 8. 21

[32] Salamo 72; 96. 8; Isaia 9. 6-7; 33. 17,22; Jeremia 23. 5-6; Daniela 7. 13; Mika 5. 4; Zakaria 6. 13; 9. 9,10, sns.

[33] Romana 8. 11

[34] Jaona 5. 24

[35] 1 Jaona 3. 2-3

[36] Lioka 12. 45

[37] 1 Petera 3.15

[38] Romana 12.12

[39] 1 Tesaloniana 5.8

[40] Matio 12. 34

[41] Apokalypsy 22. 16

[42] 2 Petera 1. 19

[43] Matio 6. 20,33

[44] Jakoba 5. 8

[45] 2 Timoty 2. 12

[46] Hebreo 12. 2

[47] Hebreo 6. 19

[48] Lioka 12. 43

[49] 1 Korintiana 15. 58

[50] 1 Korintiana 1. 7; Filipiana 3. 20; 1 Tesaloniana 1. 10

[51] Faminaniana maromaro kosa no voalaza fa hialoha ilay dingana faharoan’ny fiaviany: Matio 24, Apokalypsy 6 sy ny manaraka.

[52] Apokalypsy 22. 7,12,20

[53] 2 Petera 3. 9

[54] 2 Petera 3. 8

[55] Kolosiana 1. 4-5; 1 Tesaloniana 1. 3; 1 Korintiana 13. 7

[56] Hebreo 11. 1

[57] 2 Tesaloniana 2. 16; Filipiana 1. 29

[58] 1 Tantara 29. 15; ampitahao koa amin'ny Ohabolana 10. 28; 11. 7

[59] 1 Petera 1. 4

[60] Kolosiana 1. 5; Filipiana 3. 20

[61] 1 Petera 2. 11; 2 Korintiana 5. 20

[62] Galatiana 5. 9; Hebreo 3. 1

[63] Apokalypsy 22. 20