[Page principale | Nouveautés | La Bible | Chant- Cantiques]

 

ATERAKA INDRAY

Inona no dikan’izany ?

Mahatakatra izay lazain’ny Jaona 3

RESAK’I JESOSY TAMIN’I NIKODEMOSY :
NY FANJAKAN’ANDRIAMANITRA SY NY ILAINA MBA HIDIRANA AO

Ary nisy Fariseo anankiray atao hoe Nikodemosy, mpanapaka tamin’ny Jiosy. Izy nankao amin’i Jesosy nony alina ka nanao taminy hoe : Raby ô, fantatray fa mpampianatra avy amin’Andriamanitra Ianao ; fa tsy misy olona mahay manao izao famantarana ataonao izao, raha tsy Andriamanitra no momba azy.

Jesosy namaly ka nanao taminy hoe : Lazaiko aminao marina dia marina tokoa : Raha tsy ateraka indray ny olona, dia tsy mahazo mahita ny fanjakan’Andriamanitra. Hoy Nikodemosy taminy : Hataon’ny olona ahoana no hateraka rehefa lehibe ; moa mahazo miditra any an-kibon-dreniny indray va izy ka hateraka ? Jesosy namaly hoe : Lazaiko aminao mari­na dia marina tokoa : Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy, dia tsy mahazo miditra amin’ny fanjakan’Andria­ma­nitra izy. Izay ateraky ny nofo dia nofo ; ary izay ateraky ny Fanahy dia fanahy. Aza gaga noho ny nilazako taminao hoe : Tsy maintsy hateraka indray ianareo. Ny rivotra mitsoka amin’izay tiany, ary renao ny feony, nefa tsy fantatrao izay iaviany na izay alehany, dia tahaka izany izay rehetra ateraky ny Fanahy.

Nikodemosy namaly ka nanao taminy hoe : Hatao ahoana no hahatonga izany zavatra izany ? 

Jesosy namaly ka nanao taminy hoe : Ianao va no mpampianatra ny Israely ka tsy mahalala izany zavatra izany ? Lazaiko aminao marina dia marina tokoa : Izay fantatray no lazainay, ary izay hitanay no ambaranay ; nefa ny fanambaranay tsy raisinareo” (Filazantsara nosoratan’i Jaona, toko 3, andininy 1 hatramin’ny 11).

Ny zavatra nandrasan’ny Jiosy : ny fanjakan’Andriamanitra

Nanatona an’i Jesosy i Nikodemosy, indray alina, mba hampianariny, satria niaiky izy fa Jesosy dia “mpam­pia­na­tra avy amin’Andriamanitra”. Horesahin’i Jesosy aminy ny momba ny fanjakan’Andriamanitra, lohahe­vi­tra nibahana fatratra tao an-tsain’ny vahoaka jiosy, izay niandry ny fahatongavan’ilay fanjakan’ny fahamarinana sy fiadanana nampanantenain’Andriamanitra. Tamin’izany resaka izany no nanazavan’i Jesosy an’i Nikodemosy ny zavatra ilaina mba hahitana io fanjakana io sy hidirana ao : “ateraka indray”.

Ny fepetra ilaina mba hahitana ny fanjakan’Andriamanitra sy hidirana ao, dia ny fahateraham-baovao

Ny fanjakan’Andriamanitra dia zava-baovao hapetraka any Israely, ary tsy misy olona afaka hiditra ao, amin’ny toetra maha mpanota sy very. Tsy maintsy manana toetra vaovao izy, toetra mendrika io fanjakana hape­trak’i Kristy io. Tsy maintsy madio izy, manana aina vaovao, toetra vaovao, fo vaovao, fanahy vaovao. Raha fintinina, tsy maintsy “ateraka indray” izy, mba hanjary olom-baovao.

“Ateraka indray” mba hidirana ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra :
fahamarinana tsy takatr’i Nikodemosy izany !

Ny hoe “ateraka indray” dia tsy midika hoe “miditra any an-kibon-dreniny indray … ka hateraka”, araka ny no­he­­verin’i Nikodemosy.

Ny hoe “ateraka indray” dia tsy midika hoe mitady izay hanatsarana ny toetra ratsy, satria “izay ateraky ny nofo dia nofo” ; izany hoe, ny zaza iray dia hanana mandrakariva ilay toetra ratsy nolovainy tamin’ny ray aman-dre­ni­ny.

Ny hoe “ateraka indray”, dia mandray toetra vaovao, izay Andriamanitra irery ihany no afaka manome azy.

“Ateraka indray”, fampianarana hadinon’ny vahoaka, ary hadinon’ireo mpampianatra azy ireo aza

Tsy zava-baovao tsy akory io fahamarinana momba ny toetra ilaina mba hidirana ao amin’ny fanjakana haorin’ Andriamanitra any Israely io. Tsy zava-baovao io fahamarinana io, satria efa nanambara izany mialoha ireo mpa­­minany, ary anisan’izy ireny i Ezekiela. Hoy Andriamanitra tamin’ny vahoaka Israely : “Hofafazako rano madio ianareo, ka hadio ; ny mba ho afaka amin’ny fahalotoanareo rehetra sy ny sampinareo rehetra no hana­diovako anareo. Ary homeko fo vaovao ianareo, ary fanahy vaovao no hataoko ao anatinareo, ary hesoriko amin’ny nofo­nareo ny fo vato, ka homeko fo nofo ianareo. Ary ny Fanahiko no hataoko ao anatinareo, ka haha­tonga anareo handeha araka ny lalànako sy hitandrina ny fitsipiko ka hanaraka azy” (Ezekiela 36. 25-27). Koa mba hidirana ao amin’ ny fanjakana, dia nilaza Andriamanitra fa tsy maintsy misy fanovana anaty ataony ao amin’ny Israelita tsi­rai­ray :

– voalohany, fanadiovana tanteraka (amin’ny “rano madio”, ny rano dia manambara ny Tenin’Andriamanitra) ;

– manaraka izany, fandraisana ny aina omen’Andriamanitra (“ny Fanahiko no hataoko ao anatinareo”) : ny ain’ Andriamanitra, aina vaovao, toetra vaovao ; izany no atao hoe “ateraka indray”.

Nikodemosy, amin’ny maha mpampiana-dalàna azy, mampianatra ny vahoaka, dia tokony ho nahalala fa raha tsy misy io fiovàna anaty io, dia tsy ho afaka hahita ny fanjakan’Andriamanitra ny Jiosy, ary tsy ho afaka hiditra ao ! Nikodemosy dia tokony ho nahatakatra izay nolazain’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny mpaminany, mom­ba ny fanjakan’Andriamanitra, hoe tsy maintsy mandalo fiovana tanteraka mihitsy ny Israely  —mandray “fo vaovao”, “fanahy vaovao”—, mandalo fiovana tanteraka vokatry ny asa fanadiovana sy ny aina nomen’An­dria­manitra. Izany no antony nanakianan’i Jesosy an’i Nikodemosy hoe : “Ianao va no mpampianatra ny Israely ka tsy mahalala izany zavatra izany ?(Jaona 3. 10).

Nandritra io resadresaka io dia nisy fanambarana lehibe nataon’i Jesosy tamin’i Nikodemosy. Nasehony azy fa Andriamanitra, Izay Mpahary ny olona rehetra, dia manome toerana ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra ho an’izay olona rehetra nateraka indray, na Jiosy izy na tsy Jiosy : ny hany ilaina dia hoe voadio amin’ny vokatry ny ota, ary manaraka izany, mandray ny ain’Andriamanitra ; ny hany ilaina dia hoe “ateraka indray”. Ny manao ny olona rehetra ho afa-miditra ao amin’ny Fanjakana dia asan’Andriamanitra, amin’ny maha tsy refesi-mandidy Azy, asa asehon’i Jesosy amin’ny alalan’ny kisarisary hoe : “Ny rivotra mitsoka amin’izay tiany, ary renao ny feony, nefa tsy fantatrao izay iaviany na izay alehany, dia tahaka izany izay rehetra ateraky ny Fanahy”.

AHOANA NO HAHATONGA HO “ATERAKA INDRAY” ?

Mba hahatonga ho “ateraka indray”, dia ilaina ny asan’ny Tenin’Andriamanitra (ny rano izay manadio) sy ny asan’ny Fanahy Masina.

     Asan’ny Tenin’Andriamanitra

Rehefa mihaino ny Baiboly ny olona iray, ka manaiky fa Tenin’Andriamanitra tokoa izany, dia hiasa io Teny nafafy tao am-pony sy tao an-tsainy io :

·  hilaza amin’ilay olona io Teny io fa olona teraka tao anaty ota izy, voaloton’ny faharatsiana, manana fo ratsy, fihevitra ratsy, tsy afaka hanova ny tenany, tsy afaka manao na inona na inona hamonjeny ny tenany, hotsarain’Andriamanitra, raha tsy voadio sy mandray ny ain’Andriamanitra ;

·  hasehon’ny Tenin’Andriamanitra aminy fa Andriamanitra irery ihany no manadio sy manome io aina io ;

·  mbola io Teny io koa no hiasa hanadio ny fo, ny fitiavana, ny saina, ny fihevitra, ny fanao...

Koa rehefa mandre ny tenin’ny Baiboly ny olona iray, ka mandray izany an-kitsimpo, araka ny maha Tenin’Andriamanitra azy, dia miasa io Teny io : vokatr’izany dia hahita fanadiovana anaty tanteraka io olona io, fanadiovana ataon’ny “rano fanasana amin’ny teny”, fanadiovana amin’ny fahalotoana.

Fanamarihana

Io fanadiovana anaty io dia tsy vitan’ny ranon’ny ony iray, na tendrombohitra iray, na renirano iray, na rano­ma­sina, na fantsona iray, ary na dia ny rano anaovana batisa ny olona aza... na koa ny rano lazaina hoe “voahasina”  —satria ny rano dia tsy afaka manadio afa-tsy ny ivelan’ny olona : tsy manadio ny anaty izy, nefa ao no misy ny loto vokatry ny ota. Ny fanadiovana ny olona dia asan’ny Tenin’Andriamanitra : io Teny io no afaka miditra any anaty any, mba hiasa ao ary hanadio ny fahalotoana rehetra ateraky ny ota. Koa ny rano izany, eto, dia manam­bara ny Tenin’Andriamanitra : ny Tenin’Andriamanitra no manadio tanteraka ilay mandray azy ; ny Tenin’Andria­manitra no mahatonga ilay olona ho olom-baovao tanteraka (fo vaovao, fanahy vaovao, saina vaovao, mitodika amin’Andriamanitra sy vonton’ny fihevitr’Andriamanitra). Izany no atao hoe “ateraky ny rano”.

Asan’ny Fanahy Masina

Ny Fanahy Masina dia Andriamanitra ; ny Fanahy Masina no mahatonga ny Tenin’Andriamanitra hiditra ao am-pon’ny olona. Miasa izy, mba ho tonga saina ilay olona momba ny fitondrantenany ratsy, ny tsy mety ataony, ny fanaony maharikoriko... ny toe-pony ratsy sy tsy hay sitranina. Miasa izy, mandra-pahatongan’ilay olona ho riko­riko amin’ny tenany, noho ireo fahadisoany, noho ny toetrany mpanota sy very. Toy izany no fiasan’ny Fa­na­hy Masina, mba hanosehany ny olona hibebaka amin’Andriamanitra, hiaiky ny fahotany : ampiasain’ny Fanahy Masina ny Tenin’Andriamanitra, mba hahazo ny famelan-keloka avy amin’Andriamanitra ilay olona mihaino Azy. Rehefa voadio toy izany ilay olona, mibebaka sy voavela heloka, dia omen’ny Fanahy Masina azy ny ain’Andria­ma­nitra : izany no atao hoe “ateraky ny Fanahy”.

Ateraky ny rano sy ny Fanahy

Araka izany dia hazavain’i Jesosy amin’i Nikodemosy fa mba hidirana ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra, dia tsy maintsy manaiky ilay olona, rehefa mihaino ny Tenin’Andriamanitra, fa teraka tao anaty ota izy, manana toetra mpanota, tsy afaka manao na inona na inona hanovany ny toetrany, hany ka tokony hamela an’An­dria­manitra hiasa. Rehefa manaiky ny asan’ny Tenin’Andriamanitra izy, dia “ateraky ny rano” : voasasa ny toetrany anaty, voadio tamin’ny fahalotoana. Dia omen’ny Fanahy Masina azy ny ain’Andriamanitra, ilay aina vaovao : “ateraky ny Fanahy” izy, ao anatiny ny toetran’Andriamanitra, toetra vaovao.

Ny olona “nateraky ny rano sy ny Fanahy” dia tena nandray marina tokoa avy amin’Andriamanitra ny toetra takiana mba hidirana ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra.

MISY LAFINY ROA NY FANJAKAN’ANDRIAMANITRA

Misy lafiny roa ny fanjakan’Andriamanitra :

– Ny lafiny eto an-tany, nampanantenaina ny Israely ;

– Ny lafiny any an-danitra, ny paradisa, nampanantenaina ireo rehetra mino an’i Jesosy Kristy.

NY FANJAKAN’ANDRIAMANITRA :
NY LAFINY ETO AN-TANY, NAMPANANTENAINA NY ISRAELY

Hoy Jesosy : “Tsy misehoseho no fiavin’ny fanjakan’Andriamanitra(Lioka 17. 20). Tsy misy voninahitra ivelany, tsy misy fampisehoan-kery mba hanapahana izao tontolo izao. Raha ny marina, satria efa nanatri-tava teo ny Tompo Jesosy, dia efa teo afovoan’ny Israely ny fanjakan’Andriamanitra ; marina fa tsy hita maso, saingy hitan’ ireo efa nateraka indray : ampy ny nanaiky an’i Jesosy ho Ilay Kristy, ilay Mpanjakan’ny Israely. Koa rehefa na­nontany an’i Jesosy ireo Fariseo hoe rahoviana no ho tonga ny fanjakan’Andriamanitra, dia novaliany hoe : “Indro, ny fanjakan’Andriamanitra dia efa eo aminareo(Lioka 17. 21). Izany no nolazainy, satria Izy no Kristy, Ilay Zanak’Andriamanitra, ilay Mpanjakan’ny Israely. Hita vatana ao aminy ny fanjakana, koa izany no nilazany hoe : “Efa tonga ny fotoana, ka efa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra ; mibebaha ianareo ka minoa ny filazantsara(Marka 1. 15). Efa antomotra izany ny hametrahana ny fanjakan’Andriamanitra tany Israely. Nefa mba hahata­fa­pe­traka marina io fanjakana io, dia Israely aloha, amin’ny maha firenena azy, no tsy maintsy mibe­ba­ka, mino ny filazantsara, ary avy eo, manaiky fa Jesosy no Mpanjaka, Ilay Kristy, Ilay Zanak’Andriamanitra.

Nolavin’ny Israely i Jesosy, Ilay Kristy, ilay Mpanjakany

Ny ankamaroan’ireo Israelita dia nihevitra an’i Jesosy ho olona tsotra ihany, mpandrafitra na “mpampianatra avy amin’Andriamanitra”, olona manao fahagagana. Tsy nanaiky Azy ho Kristy, ilay Mpanjakany, izy ireo. Ary nolazainy mazava izany : “Tsy manaiky hanjakan’iny lehilahy iny izahay(Lioka 19. 14). Indrisy fa ny firenena jiosy dia tsy nanaiky iny lehilahy iny hanjaka aminy, satria tsy nekeny ny hoe :

– Kristy (antsoina koa hoe Mesia) tonga tam-pietrena, tao anaty fanetrentena, tao anaty fahantrana ;

– Kristy miresaka fahotana, fibebahana, fanadiovana, fahamarinana, fitsarana, fahateraham-baovao ;

– Kristy mankatò an’Andriamanitra sy manome ho Azy ny voninahitra manontolo...

Raha fintinina, nohamavoin’ny Jiosy izany hoe Kristy tsy misehoseho izany, ary toa tsy tiany hiaraha-monina akory aza. Efa nambaran’ny mpaminany Isaia ny tsy fitokisan’ny vahoaka  —na tsy firaharahany mihitsy aza—   an’i Jesosy, Ilay Kristy. Raha niresaka momba Ilay Kristy ho avy any Israely izy, dia nilaza hoe : “Tsy nanana en­dri­ka na fahatsaran-tarehy Izy ; ary raha nijery Azy isika, dia tsy nisy hatsaran-tarehy haniriantsika Azy. Natao tsinontsinona sy nolavin’ny olona Izy ; lehilahy ory sady zatra ny fahoriana, ary tahaka izay tsy tian’ny olon-kojerena akory Izy ; natao tsinontsinona Izy ka tsy mba nahoantsika(Isaia 53. 2-3). “Kanefa maro tamin’ny mpa­napaka aza no nino Azy ; nefa noho ny Fariseo dia tsy nanaiky ireo, fandrao havoaka hiala amin’ny syna­goga. Fa tia ny voninahitra avy amin’ny olona izy ireo, fa tsy ny voninahitra avy amin’Andriamanitra(Jaona 12. 42-43).

Tsy azo napetraka ny fanjakan’Andriamanitra eto an-tany

Jamban’ny fahotany, ny fandavany tsy hibebaka ary ny tsy fanekeny an’i Jesosy ny firenena jiosy manontolo, ka nanilika ilay Mpanjakany. Koa tsy azo napetraka ho hita maso tany Israely ny fanjakan’Andriamanitra ; nihe­mo­tra ny fotoana hanaovana izany. Mandra-panao izany dia tsy ho hita maso aloha io fanjakana io. Koa ireo izay tena nateraka indray  —manana ny ain’Andriamanitra, manana “fo vaovao … ary fanahy vaovao”, manana toe­tra vaovao—  no antsoina aloha, hampihatra ireo fitsipiky ny fanjakana. Efa nolazain’Andriamanitra ihany ny lafiny sasantsasany tamin’ireo fitsipika ireo, ao amin’ny hafatra nentin’ny mpaminany Ezekiela, dia ny “… ha­ha­tonga anareo handeha araka ny lalànako sy hitandrina ny fitsipiko ka hanaraka azy(Ezekiela 36. 27).

Tsy tanteraka tamin’izay fotoana izay, izany, ny fametrahana ny fanjakan’Andriamanitra ho hita maso eto an-tany. Na izany aza anefa, ireo rehetra “nateraka indray” dia antsoina hampihatra ireo fampianaran’Andria­ma­ni­tra, toy ny hoe efa hita maso ny fanjakana. Ireo fampianarana rehetra ireo dia ao amin’ny Baiboly, izay Tenin’ An­dria­manitra.

Mananontanona ny Israely ny fitsaran’Andriamanitra

Satria nandà ampahibemaso an’i Kristy ny firenena Israely, dia mazava ho azy fa mananontanona azy ny faha­te­zeran’Andriamanitra, ny fitsarany. Izany hoe, mizotra ho amin’ny fahaverezana ny firenena jiosy manontolo. Mba hanakanana io fitsarana io, dia hanolo-tena ho an’Andriamanitra i Kristy, hisolo toerana ny Israely, mba hi­zaka ny famaizana sahaza ny fahotan’ny Israely, toy ny hoe Izy no nanota : Izy no hitondra ny fahotan’ny Israely, hijaly ary ho faty ! Koa dia azontsika hoe nahoana i Kaiafa mpisoronabe, izay anisan’ny manampahefana ara-pivavahana ambony indrindra teo amin’ny Jiosy tamin’ny andron’i Jesosy, no nilaza sy naminany (na dia tsy takany tsara aza ny teny nolazainy !) hoe : “Tsara ho anareo, raha ny lehilahy iray no ho faty hamonjy ny fire­ne­na, mba tsy ho rava avokoa ity firenena ity. Ary tsy niteny izany ho azy izy, fa satria mpisoronabe tamin’izany taona izany izy, dia naminany fa Jesosy ho faty hamonjy ny firenena ; ary tsy hamonjy io firenena io ihany, fa mba hanangona ny zanak’Andriamanitra, izay efa niely, ho antoko iray(Jaona 11. 50-52).

NY FANJAKAN’ANDRIAMANITRA : NY LAFINY ANY AN-DANITRA (NY PARADISA),
NAMPANANTENAINA AN’IREO REHETRA MINO AN’I JESOSY KRISTY

Hatreto Jesosy, tamin’ny resaka nifanaovany tamin’i Nikodemosy, dia nanambara ny fepetra ilaina mba hidi­ra­na ao amin’ilay fanjakana eto an-tany nampanantenain’Andriamanitra ny Israely : tsy maintsy ateraka indray. Izao Izy dia hiresaka momba ny lanitra (izay fonenany) sy ny fepetra ilaina hidirana any. Hoy Izy tamin’i Niko­de­mosy : “Raha ny zavatra etỳ an-tany aza no nolazaiko taminareo ka tsy inoanareo, ahoana no hinoanareo, raha milaza aminareo ny zavatra any an-danitra Aho ? Ary tsy nisy niakatra ho any an-danitra, afa-tsy Ilay nidina avy tany an-danitra, dia ny Zanak’olona, Izay any an-danitra. Ary tahaka ny nanandratan’i Mosesy ny mena­ra­na tany an’efitra no tsy maintsy hanandratana ny Zanak’olona, mba hanana fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy(Jaona 3. 12-15).

Mitovy amin’ny an’ny Israely ny toerana misy ny olona rehetra : ao anatin’izy ireo ny ota, ny toetrany dia mpa­no­ta, maloto izy ireo. Koa satria izay no toetrany, dia tsy azony idirana ny lanitra, ny paradisa. Ambonin’izany, noho ireo fahotana ataony, dia meloka eo anatrehan’Andriamanitra ny olona, mizotra ho amin’ny fitsarany, voa­ten­dry ho ao anaty fijalijaliana mandrakizay, lavitra ny tavan’Andriamanitra. Mba hamonjena ny zanak’olom­belona izay very, dia nanolo-tena ho azy ireo Jesosy, niatrika ny fitsaran’Andriamanitra. Nisolo toerana ny olombelona tsi­rai­ray Izy, mba hizaka ny famaizana sahaza ny fahadisoan’izy ireo, “mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hana­na fiainana mandrakizay(Jaona 3. 16) ary hiditra any an-danitra.

Maty teo amin’ny hazofijaliana Jesosy, mba hamonjy ny zanak’olombelona

Mba hanazavany amin’i Nikodemosy ny sorona hataony, dia nampahatsahivin’i Jesosy ny tranga iray nandritra ny dian’ny Zanak’Israely tany an-tany efitra. Notandindomin-doza ho faty avokoa ny vahoaka Israely, nefa niditra an-tsehatra Andriamanitra hamonjy azy. Fahiny tokoa mantsy dia tany Egypta ny Israelita, nandevozina sy nam­pijaliana. Mba hampitsaharany izany fijaliana mihoa-pampana izany, dia nalefan’Andriamanitra ho azy ireo i Mosesy. Nasain’Andriamanitra nanafaka ny vahoaka tamin’ny ziogan’ny Farao izy, namoaka azy ireo avy tany Egypta, ary nitondra azy ireo tany Kanana, ilay tany nampanantenan’Andriamanitra an’i Abrahama razamben’izy ireo. Nafahan’ny tana-maherin’Andriamanitra ireo Israelita, ka nivoaka ny tany Egypta. Notarihin’i Mosesy izy ireo, niampita ny ranomasina, ary tonga tany an-tany efitra. Efa niato imbetsaka izy ireo, dia “niala tany an-tendrombohitra Hora izy ka nahazo ny làlana mankany amin’ny Ranomasina Mena hanodidina ny tany Edoma ; dia kivy ny fanahin’ny olona noho ny làlana. Ary niteny nanome tsiny an’Andriamanitra sy Mosesy ny olona ka nanao hoe : Nahoana no nentinao niakatra avy tany Egypta izahay ho faty atỳ an’efitra ? fa tsy misy mofo na rano atỳ ; ary mahamonamonaina ny fanahinay itony mofomofo foana itony. Ary Jehovah dia nampandeha ny menarana afo teny amin’ny olona, ka nanaikitra ny olona ireny ; dia nahafatesana be ny olona Israely. Dia nan­keo amin’i Mosesy ny olona ka nanao hoe : Efa nanota izahay, fa efa niteny nanome tsiny an’i Jehovah sy ianao. Ifony amin’i Jehovah izahay mba hanesorany ny menarana aminay. Dia nifona ho an’ny olona Mosesy. Ary hoy Jehovah taminy : Manaova menarana afo, ka ahantòny amin’ny hazo lava, ary izay rehetra voakaikitra dia ho velona, raha mijery izany. Dia nanao menarana varahina Mosesy ka nanantona azy tamin’ny hazo lava ; ary izay olona voakaikitry ny menarana ka nijery ilay menarana varahina dia velona(Nomery 21. 4-9).

Nampa­hatsiahy io tranga nandritra ny dian’ny vahoaka Israely io Jesosy, mba hampahafantatra an’i Nikode­mo­sy fa Izy, Jesosy, dia ho faty hisolo toerana ny olona rehetra, ka hanome ny famonjena ho an’izay rehetra te ho afaka amin’ny fahafatesana mandrakizay (ny fisarahana amin’Andriamanitra, ho lavitra Azy mandrakizay), te ho afaka amin’ny fijalijaliana mandrakizay, antsoina ihany koa hoe “helo”. Mba hanatanterahany izany, dia hahan­tona eo amina hazofijaliana Izy, mba hitondra “ny fahotantsika tamin’ny tenany teo ambonin’ny hazo ” (1 Petera 2. 24). Koa izay tonga saina fa mpanota izy, very, dia zavatra iray loha no tokony hataony : mijery an’i Jesosy mihantona eo amin’ny hazofijaliana, satria io fijery io no fijerin’ny finoana, fijerin’ny fiainana, fijery mahavonjy. Ny hoe mijery an’i Jesosy Kristy dia midika hoe mino Azy, mino fa Jesosy no Ilay afaka mamonjy ahy amin’ny fahaverezana mandrakizay, afaka manome ahy ny fiainana mandrakizay, afaka manokatra ho ahy ny varava­ran’ ny lanitra, dia ny paradisa, satria Izy no nisolo toerana ahy, niaritra ny fanamelohana sahaza ahy.

Koa amina kisarisary no ilazan’i Jesosy izao vaovao mahafaly izao amin’ny zanak’olombelona very : “Ary tahaka ny nanandratan’i Mosesy ny menarana tany an’efitra no tsy maintsy hanandratana ny Zanak’olona, mba ha­na­na fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy. Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao : nome­ny ny Zanany Lahitokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay. Fa Andria­ma­ni­tra tsy naniraka ny Zanaka ho amin’izao tontolo izao hanameloka izao tontolo izao, fa mba hamon­jeny izao ton­tolo izao(Jaona 3. 14-17).

Izao no vaovao mahafaly : na iza na iza mino an’i Jesosy Kristy,
dia omena ny fiainana mandrakizay, mahazo miditra any an-danitra !

Izay mino ny Zanaka manana fiainana mandrakizay(Jaona 3. 36) : afaka amin’ny fitsarana izy, afaka amin’ny helo ; ary omen’Andriamanitra zavatra tsara lavitra noho ny fanjakana etỳ an-tany ao Israely : omen’Andria­ma­nitra azy ny lanitra, ny paradisa.

KOA INONA ÀRY IZANY NO ATAO HOE ATERAKA INDRAY ?

Ny hoe ateraka indray dia midika hoe mandray ny ain’Andriamanitra, aina omen’Andriamanitra ; ary raha tsy nahazo io aina io, dia tsy afaka miditra any an-danitra, any am-paradisa. Izany no mahatonga ny Tompo Jesosy hanantitrantitra hoe : “Tsy maintsy hateraka indray ianareo”.

TSY MAINTSY HATERAKA INDRAY IANAREO
Ary ianao ve efa tena nateraka indray ?

Mino an-kitsimpo ve ianao fa Jesosy no Kristy, Ilay Zanak’Andriamanitra ?

Momba an’i Jesosy Kristy, dia fantaro fa “Izay mino Azy dia tsy helohina ; fa izay tsy mino kosa dia efa voahe­lo­ka rahateo, satria tsy nino ny anaran’ny Zanaka Lahitokan’Andriamanitra izy. Ary izao no fanamelohana, fa tonga amin’izao tontolo izao ny mazava, nefa aleon’ny olona ny maizina toy izay ny mazava, satria ratsy ny asany. Fa izay rehetra manao ratsy dia mankahala ny mazava sady tsy manatona ny mazava, fandrao hita miharihary ny asany. Fa izay manao ny marina kosa dia manatona ny mazava, mba haseho ny asany, fa atao amin’Andria­ma­ni­tra izany(Jaona 3. 18-21).

Ianao ve efa nibanjina an’i Jesosy maty teo amin’ny hazofijaliana,
satria izany no hany fomba ahazoanao famonjena ?

Manatòna an’i Jesosy, Ilay tena fahazavana, dia ho hitanao fa mpanota ianao, very. Ekeo fa tsy afaka mamonjy ny tenanao ianao. Mitodiha amin’Andriamanitra, mba hiaiky aminy ireo fahotanao ka hangataka famelan-kelo­ka : izany no atao hoe mibebaka. Ekeo am-panetrentena sy am-pankasitrahana ny lalana atolotr’Andriamanitra anao : Jesosy maty teo amin’ny hazofijaliana (satria Izy no efa nitondra ny fahotanao) ; Jesosy natsangana tamin’ ny maty (satria neken’Andriamanitra ny fanomezan’i Jesosy an-tsitrapo ny ainy, mba hamonjeny anao). Minoa ao am-ponao fa Jesosy tokoa no Ilay Kristy, Ilay Zanak’Andriamanitra, Ilay Mpamonjy izao tontolo izao, Ilay Mpa­monjinao manokana.

Azonao antoka ve fa manana ny ain’Andriamanitra ianao, manana ny fiainana mandrakizay ?
Azonao antoka ve fa hiditra any am-paradisa ianao ?

Hoy Jesosy aminao : “Izao no sitrapon’ny Raiko, dia ny hahazoan’izay rehetra mijery ny Zanaka ka mino Azy fiainana mandrakizay ; ary Izaho hanangana azy amin’ny andro farany.” (Jaona 6. 40).

Izao no dikan’ny hoe “Mijery ny Zanaka ka mino Azy” :

– manaiky fa Jesosy no Kristy, Zanak’Ilay Andriamanitra velona ;

– mandray Azy ao am-po mba ho Tompo sy Mpamonjy anao manokana : “Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery (na : zo) ho tonga zanak’Andriamanitra, dia izay mino ny anarany, dia ireo izay tsy nateraky ny ra, na ny sitrapon’ny nofo, na ny sitrapon’ny olona, fa naterak’Andriamanitra(Jaona 1. 12-13).

Tandremo anefa : ny finoana an’i Jesosy Kristy dia finoana ao am-po  —fa tsy hoe fanekena eo am-bava fotsiny ihany—, araka ny voasoratra hoe : “... ny teny ny amin’ny finoana, izay torinay ; satria raha manaiky an’i Jesosy ho Tompo amin’ny vavanao ianao ary mino amin’ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin’ ny maty, dia hovonjena ianao. Fa amin’ny fo no inoana hahazoana fahamarinana, ary amin’ny vava no ane­ke­na haha­zoa­na famonjena.(Romana 10. 8-9). Koa “Minoa an’i Jesosy Tompo, dia hovonjena ianao(Asan’ny Apostoly 16. 31). Rehefa voavonjy ianao dia afaka miara-manambara amin’ireo voavidin’i Kristy hoe : “ Fa isika koa dia adala fa­hi­ny, tsy nanaiky, voafitaka, dia andevon’ny filana sy ny fahafinaretana maro, ary velona teo amin’ny lolompo sy ny fialonana, sady hala no nifankahala. Fa rehefa niseho ny fahamoram-panahin’Andriamanitra, Mpamonjy antsika, sy ny fitiavany ny olona, dia tsy avy tamin’ny asa amin’ny fahamarinana izay nataontsika, fa araka ny famindrampo kosa no namonjeny antsika, tamin’ny fanasan’ny fiterahana indray sy ny fanavao­zan’ ny Fanahy Masina, Izay naidiny betsaka tamintsika tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy, Mpamonjy antsika, mba ho­ha­marinina amin’ny fahasoavany isika ka ho tonga mpandova araka ny fanantenana ny fiainana mandrakizay(Titosy 3. 3-7).

DOS DU LIVRE

Hoy Jesosy tamin’i Nikodemosy : “Lazaiko aminao marina dia marina tokoa : Raha tsy ateraka indray ny olona, dia tsy mahazo mahita ny fanjakan’Andriamanitra… Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy, dia tsy mahazo miditra amin’ny fanjakan’Andriamanitra izy. Izay ateraky ny nofo dia nofo ; ary izay ateraky ny Fanahy dia fanahy. Aza gaga noho ny nilazako taminao hoe : Tsy maintsy hateraka indray ianareo. Ny rivotra mitsoka amin’izay tiany, ary renao ny feony, nefa tsy fantatrao izay iaviany na izay alehany, dia tahaka izany izay rehe­tra ateraky ny Fanahy(Jaona 3. 3, 5, 6-8).

Efa nateraka indray ve ianao ?

Efa nandray ny ain’Andriamanitra ve ianao, satria raha tsy misy io aina io dia tsy afaka hiditra any an-danitra, any am-paradisa ?

Izany no fanontaniana —ny tena fanontaniana manan-danja— valian’ity bokikely ity, amin’ny andinin-tSoratra Masina, mba hampitandremana ny tsirairay ka hanapahany hevitra hitodika amin’Andriamanitra, Izay hany ma­nome ny fiainana mandrakizay sy manokatra ny vavahadin’ny lanitra, ny paradisa.